Cross-Country – «Mada 2022»: ho any Aostralia i Clement sy i Nathalie

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2022, eo amin’ny ta­ranja Cross-country i Vonina­hitsy Clement, atletan’ny Cosfa Analamanga sy Rasoa­niaina Nathalie avy amin’ny Cami Itasy. Araka izany, hi­solo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hatao any Bathurst Aostralia, ny 18 fe­broary 2023 izy ireo. Ireo no vokatry ny fifaninanam-pirenena, notanterahina teny amin’ ny bout de piste Ivato, ny asabotsy lasa teo. Raha hivere­nana ny fizotry ny hazakazaka 10 km ho an’ny “sénior” lahy sy vavy, vao teo am-piando­hana, tsy niala tao anaty “peloton”
i Clement sy i Tsima ary i Patrick (Cosfa) i Mampitsoa­tse (Cospn Boeny), niampy an’i Fulgence (Crown Vaki­nankaratra). Na izany aza, hain’ireo atletan’ny Cosfa (Bebaoty) ny nampiasa ny fifandimbiasana tamin’ny hazakazaka ka nahavery an’i Mampitsoatse, vao teo amin’ ny 4 km nihazakazahana. Nanomboka teo dia efa niala tsikelikely ireo mpifanandrina taminy i Clement, ary tsy tratra intsony mandra-pahatonga tany amin’ny tsipiky ny fahatongavana. 32 mn 55 s ny fe-potoana nahavitany ny halavirana. “Mafimafy ihany ny niatrehana izany, saingy efa niomanana tsara. Porofon’izany, efa voalohany hatrany aho, tany amin’ny seksiona sy ny ligy ary nipaka hatraty amin’ ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Madagasikara. Tsy nampatahotra ahy loatra i Mampitroatse satria hita hoe efa tsy mety aminy intsony ilay halavirana fa any amin’ ny lavitra ezaka no talen­tany”, hoy i Clément.

Nandeha irery i Nathalie

Ho an’ny vehivavy, vao nanomboka dia efa nofehezin’ i Nathalie irery ny hazaka­zaka. Notarihiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hazakazaka. Na teo aza ireto vokatra ireto, tsy mbola montsana ny fe-potoana tsara indrindra eto Madaga­sikara. Nolazain’i Nathalie fa efa niomanana iny fifanina­nana iny, taorian’ny “sur piste” ka iny nahazoana ny voalo­hany iny. Fangatahan’izy mianadahy ny hanampian’ny fi­tondrana azy ireo, manomboka eto satria voninahi-pirenena no arovana any Aostralia fa tsy ny klioba intsony.
Tsiahivina fa nisy mpifaninana avy any La Réunion, nandray anjara tamin’ity, izay nitsapa ny herin’ireo atletany, amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023, eto Madagasikara. “Mila mailo isika fa mandady ny trambo. Tena mpifanandrina goavana ho an’ny Malagasy ny Renio­ney, ka tsy tokony hatoritory isika”, hoy Raherison Domi­nique, filohan’ny federasiona (FMA). Notsiahiviny fa fanokafana ny taom-pilalaovana 2023 iny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara iny.

Dingana manaraka ny fiatrehana ny hazakazaka mi­fam­pitohy, tanterahina atsy La Réunion, ny 17 sy 18 desambra, ho avy izao. Nahatratra 57 ny isan’ireo mpifaninana teo amin’ny “sénior” lehilahy raha 17 ny vehivavy.

Torcelin

Vokatra teo amin’ny “sénior” lehilahy
1-Voninahitsy Clement (Cosfa) – 32 mn 55 s 0
2-Ralaiarimanana Onja Patrick (Cosfa) – 33 mn 00 s 0
3-Rafanomezantsoa Jean Richard (Amoron’i Mania) -33 mn 23 s 2

“Sénior” vehivavy
1-Rasoaniaina Nathalie (CAMI Itasy) – 40 mn 41 s 1
2-Ralisinirina Marthe (3FB Analamanga) – 43 mn 05 s 3
3-Rafaherison Ange Noel (AS Fanalamanga) – 43 mn 47 s 6

Partager sur: