Nomarihiny ny asabotsy teo ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalambe migodana “Autoroute” hampitohy an’ Antananarivo sy Toamasina. Nanomboka izany tao Ambolo, Talata Volonondry ny filoha Rajoelina Andry.
Nambarany fa manatanteraka ny asa isika izao ary miasa haingana. Mamaly ny ambaran’ny sasany fa tsy ho vita io… Tsy ho tanteraka ary afaka efa-taona izany vao hatao. “Tsy mitovy ny fomba fijery sy ny fomba fiasa. Vita ny asa rehetra rehefa manam-pinoana… Aza manaiky korontanin’ny hafa ny saintsika”, hoy izy. Nanteriny fa homena onitra ireo toerana lalovan’izany lalana izany. Hitondra fampandrosoana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekaren’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro ary Analamanga izany, araka ny nambarany. Notsindriny fa vahaolana entin’ny fitondram-panjakana manoloana ny fitomboan’ny fiara mivezivezy amin’ iny lalam-pirenena faharoa iny izao. Anisan’izany ireo fitaterana entana avy any Toamasina, mihazo an’Antananarivo efa mihoatra ny vesatra araka ny tokony ho izy ka mahatonga ny lalana ho simba sy potika foana isan-taona.
“Fanamby napetraka ny tsy maintsy hanaovana ity lalambe migodana ity. Tanjona ny mba ho Madagasikara lasa maoderina sy fitaratra eto amin’ny ranomasimbe Indiana. Tsy ny anarako no tiako hitoetra, fa ny asa sy ny fotodrafitrasa holovain’ny taranaka faramandimby”, hoy ny filoha.
Manoratra ny tantara isika
Nambarany fa miaraka manoratra tantara isika, miaraka manova tantara ary miaraka mampandroso ny firenena, araka ny efa nambarany tamin’ny fampielezan-kevitra.
Anisan’ny tombony amin’ny lalambe migodana ny fihenan’ny saran-dalana. Hihena hatrany amin’ny 50% ny fandaniana rehetra, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa natao sonia ny 3 novambra teo ny fiaraha-miasa ho fanatanterahana ny asa ka hisahana ny fanamboarana izany ny orinasa ejiptiana Samcrete. Manana ny traikefa sy ny lazany maneran-tany amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana momba ny “Autorute” izy ireo.
Synèse R.
Miala etsy Tsarasarotra ary mihazo an’i Sabotsy Namehana izany. Mandalo an’Ambohimanga Rova sy eny Talata Volonondry. Tonga hatrany Anjozorobe sy Andaingo ary manohy hatrany Toamasina ilay “Autoroute”. Mirefy 260 km ny lalana ary vita ao anatin’ny ora roa ny fandehanana aminy. Ahitana foibe fandoavam-bola miisa enina sy fitaovana fanaraha-maso “Camera” sy “Radar”. Eo koa ny fitaovana fanisana ny isan’ ny fiara mizotra amin’izany lalambe migodana izany. Ahitana sampanana amin’ny RN44.