Karate: samy hitondra fanazavana i Solofo sy i Emile

Hitodi-doha hiverina eto Madagasikara ny delegasiona malagasy avy amin’i Solofo Barijaona sy i Emile, rehefa avy niatrika ny fiadiana ny tom­pondaka natao tany Durban, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ho samy manan-kambara hanazavana ny toe-draharaha nisy tany an-toerana ny andaniny sy ny ankilany, amin’ ny fahatongavan’izy ireo ra­hampitso, izay inoana fa an­drasan’ny maro fatratra izany fanazavana izany.
Tsiahivina, samy afaka ni­faninana avokoa na ny atleta niaraka tamin’i Solofo na ireo izay niaraka tamin’ny Docteur Emile, nandritra ny telo an­dron’ny fifaninanana, izany hoe mpikatroka malagasy 12 mianadahy izy ireo no niakatra tatami. Raha ny vokatra azo, nijanona ho medaly alimo miisa 2 ny azon’ny Malagasy, tamin’ny alalan’Andrianaho Manda, sokajy Cadet Kata sy Rabemanantsoa Fabio Lee, sokajy Junior Kata.
Raha ny fanazavana azo tamin-dRatefinanahary Emile, navondrona ho iray ireo atleta malagasy ary nilaza ihany ko izy fa efa niteny ny teo anivon’ny WKF sy ny UFAK fa izy no ekena ho filohan’ny federasionin’ny Karate do malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: