Natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny sabotsy teo, ny fetiben’ny haiady nokarakarain’ny eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Tanjona ny hanehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo anivon’ny FDS satria tafiditra ao anatin’ny kolontsaina miaramila ny fifehezana ny haiady, araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena sady talen’ny ofisy miaramila misahana ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), ny Jly Rakotondrabary Eric. Ilaina amin’ny asa fampandriana fahalemana ataon’ny mpitandro filaminana ny haiady ka mila mahafehy izany ny tsirairay, araka ny nambarany. Nandray anjara tamin’izao hetsika izao ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, ireo
atleta ao amin’ny klioba Cosfa, ny sekolin’ny manamboninahitra lefitra (Ensoa) Antsirabe, ny polisim-pirenena, ny sekolin’ny zandarimaria Ambositra ary ireo klioba sivily. Taranja maro no hita nandritra ny hetsika, toy ny judo, kick boxing, karate, taekwondo, aïkido, capoeira, tolona ary ny ady totohondry.
Jean Claude




