Tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny Ajesaia Bongolava sy ny Tsaramandroso Formation Boeny (TFFC). Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, omaly alahady ary tafiditra amin’ny andro fahatelo, ho an’ny kaonferansy avaratra. Niato teo amin’ny minitra faha-87, noho ny fifandonan’i Feno, mpilalaon’i Bongolava sy ny mpiandry tsatobin’ny TFFC, ka nahatonga ny fifampikasihan-tanana, teo amin’ny roa tonta. Marihina fa nahafaty ny baolina fahatelo, tamin’io ny Ajesaia ka nitarika 3 no ho 2.
Tsiahivina fa ny Tsaramandroso no nanokatra ny isa voalohany, tamin’ny alalan’i Jaera, teo amin’ny minitra faha-27. Isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Mbola nampian’ i Philemon, indray izany teo amin’ny minitra faha-49 ka lasa 2 no ho 0. Nampihena ny isa i Rojo be, teo amin’ny minitra faha-68 avy eo nosahalain’i Feno, tany amin’ny minitra faha-85. Mbola nahafaty ny baolina fahatelo indray izy, tany amin’ny minitra faha-87. Tsy voavaha ny olana na teo aza ny fanelanelanan’ireo tomponandraikitry ny CFEM sy ny mpitsara ary ny mpanazatra sy ny kapiteny. Andrasana, araka izany, ny ho fanapahan-kevitra avy amin’ny CFEM sy ny federasiona.
Fitia (Mpianatra Asa)
AS Fanalamanga (1) – (0) Uscafoo
Cosfa (3) – (3) ASA Diana
Ajesaia – TFFC (Tsy tontosa)
Elgeco Plus (3) – (1) 3FB Toliara
Tia Kitra (0) – (1) Fosa Jr Boeny
MAMA FC (0) – (0) Zanakala FC
Jet Kintana (1) – (2) CFFA
Disciples FC (2) – (1) Dato FC