Tsy nahavotr’aina: kilan’ny afo i Jessica kely

Zava-doza ny nanjo azy mianakavy kely ! sady kilan’ny afo, tsy mba afaka nanavotra aina ilay ankizivavavy vao folo taona, izay sembana no hotohoton’ny afo ny fananana rehetra.

Nitrangana haintrano mahatsiravina namoizana ain’olona tao amin’ny fokontany Antsirana­m­pasika Toamasina parisela 14/11 «Carreau» faharoa, ny asabotsy tamin’ny 12 ora sy 30 mn antoandro. Raha ny tatitra voaray avy any an-toerana, tokantrano roa no kila hotohoton’ny afo. Nisy ankizivavy 10 taona manana fahasembanana ara-batana ny iray tamin’ny trano. Tsy afa-nivoaka namonjy ny ainy izy noho izany, taraiky tao amin’ny efitrano nisy azy. Tranohazo sy vita amin’ny falafa ireto nirehitra. Sady mora nandray afo no nampalaky ny fiitaran’ny afo izany. Namoy ny ainy, tena kilan’ny afo tanteraka ilay ankizivavy niharam-boina.
Raha ny fanadihadiana voaangona teny anivon’ny fokontany, nahatonga ny loza ny fifampikasohan’ny taribin-jiro mitondra herinaratra. Niainga avy ao amin’ny tokantrano iray ny afo, niitatra tamin’ilay trano falafa nifanakaiky teo. Tsy nisy olona tao an-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Irery tao an-trano ilay zaza namoy ny ainy, araka ny voalazan’ny fampitam-baovao.
Nanao izay ho afany ta­min’ny famonjena ny mponina teo amin’ny manodidina, saingy tsy afa-nanoatra nanoloana ny fijoalajoalan’ny lelafo. Nanano sarotra rahateo ny famonoana ny afo noho ny rivotra. Vetivety ny fiitarany. Efa taraiky koa ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina vao tonga naharay antso sy nanao ny asany. Tsy nisy niangana ny entana rehetra tao amin’ny tokantrano roa nirehitra. 15 mianaka tsy manan-kialofana vokatr’ity haintrano ity.
Mirongatra ny firehetana amin’izao fotoana izao an’ny faritra Atsinanana. Ankoatra ny toeram-ponenana, lasibatra ny ala arovana sasantsasany toy ny ao amin’ny distrikan’i Brickaville.

Sajo/J.C

Partager sur: