Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fianarana nataon’Andriainiaina Arnaud, mahakasika ny fitantanana ny fanatanjahantena ka nahazoany ny diplaoma «Memos (Master Exécutif en Management des Organisations Sportives», izay naharitra herintaona tao amin’ny oniversite Lunex Luxembourg Paris. Mari-pahaizana faratampony omen’ny Komity iraisam-pirenena Olympika ny Memos, rehefa avy niatrika ny «Cours des dirigeants Sportifs» sy ny «Cours Avancé en Management des Sports» ny mpisehatra iray. Tale misahana ny famolavolana ireo taninketsan’ny fanatanjahantena eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andrianiaina Arnaud. Efa tale rezionaly ny tanora sy ny fanatanjahantena Alaotra Mangoro sy talen’ny serasera teo anivon’ny MJS ihany koa izy ary mpanazatra amin’ny taranja baolina kitra. Nisy fotoana efa nitantana ligy teo amin’ny taranja rugby, i Arnaud, izay mpianatra nivoaka tao amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro. Nosafidiany ny lohahevitra mahakasika ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fikarakarana hetsika ara-panatanjahantena eto Madagasikara, nandritra ny fikarohana nataony nahazoana ity Memos ity. Novelabelariny tany Lausanne.
Tsiahivina fa Malagasy fahatelo manana ity diplaoma ity i Arnaud, izay tena ilaina tokoa amin’ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Madagasikara, tafiditra ao anatin’ny andiany faha-9, taona 2022, avy amin’ny firenena 20 mpikambana eo anivon’ny CIO izy, nahitana mpandray anjara miisa 26. Nanolotra fisaorana ireo rehetra nanampy azy tamin’ny fikarohana nataony, Andrianiaina Arnaud, anisan’izany ny Komity Olympika Malagasy, ireo mpampianatra azy ary ireo nanohana ara-kevitra rehetra.
Mi.Raz