Sambany teo amin’ny tantaran’ny basikety malagasy ny nahazoan’ny Ankoay lehilahy, ny tapakila amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety lalaovin’olona telo. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika mantsy ny ekipa malagasy lehilahy, nandritra ny fifaninanana “Africa Cup 3×3” natao tany Egypta, ka tafita avy hatrany amin’ny “Mondial” 2023 hatao any Australia. Tompondaka lefitra kosa ny Ankoay vehivavy, ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana “Mondial” 2023 hatao any Israel. Hisy ny fitsenana makotrokotroka ny delegasiona malagasy, anio, karakarain’ny Federasiona malagasy ny basikety. Raha hiverenana ny voka-dalao, nandavo ny ekipan’i Egypta, tamin’ny isa 20 noho 17 ny Ankoay lehilahy, teo amin’ny famaranana. Voafidy ho mpilalao mendrika indrindra teto Randriamampionona Elly. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, laharana faharoa ny Ankoay, rehefa tsy nahatohitra ny ekipa Egyptiana ka resy tamin’ny isa 11 no ho 21. Tafiditra tao anatin’ny lisitry ny mpilalao mendrika ihany koa ny mpilalao malagasy, Raherimanana Chine.
Mi. Raz