Sakaiza manody: nangalarin’izy roa lahy ny voamason’ny namany

Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toliara II. Omaly, lehilahy iray no lasibatry ny asan-jiolahy. Lasan’ireo olon-dratsy ny voamasony roa tao amin’ny fokontany Behorinkazo, kaominina Antogo Vaovao, distrikan’i Morombe. Ni­araka ta­min’ireo namany roa lahy na­monjy tsena teny amin’ny manodidina ity lehilahy 27 taona ity. Nony namonjy fo­diana niampita lakana ireto mpinamana. Teny an-dalana, noentin’izy roa lahy tany anaty ala ilay lehilahy namany ary nofatorana. Tamin’ izay indrindra no nanamparan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Nalan’ izy ireo ny voamasony miisa roa ary nitsoaka avy hatrany ireo tsy mataho-tody taorian’ny asa ratsiny. Fo­toana fohy taorian’io, tsikaritr’ireo mpiandry ondry tsy lavitra teo ilay lehilahy.
Ni­hosin-dra tanteraka ka noentina haingana teny amin’ny CSB II Antogo Vaovao. An­kehitriny, mbola mitsabo tena ao an-toerana ilay nalana voamaso ary efa tsy ata­ho­rana ny ainy. Etsy ankilany, nampandre ny mpitandro filaminana ireo fokonolona ka raikitra ny fanadihadiana.
Tsy lasa lavitra

Fotoana fohy taorian’izay, voasambotra teo an-toerana ihany ireo namany roa lahy voalaza ho nahavanon-doza ka voatazona eny amin’ny biraon’ny zandary. “Mbola tsy fantatra hatreto ny antony nanaovana ity habibiana ity. Tsy mbola fantatra ihany koa ny olona mety mitady sy mampaniraka hanao izao”, hoy ny fanazavana voaray. Nomari­hin’ny zandary fa tranga voalohany niseho tao an-toerana ity halatra taova ity.
Isan’ireo faritra mafana amin’ny tsy fandriampahalemana Toliara II. Mirongatra ny vono olona, ny fanapahan-doha ary ny halatra taova ao an-toerana. Tsiahivina fa herinandro vitsy lasa izay, nisy faty olona tapa-doha hita tao Antanimeva sy Befandriana Atsimo. Hatramin’izao, tsy fantatra ireo nahavanon-doza. Manoloana izao tranga izao, nivory ny OMC ao an-toerana. Tapaka tamin’izay fa ha­mafisina ny fandriam-pahalemana. Araka izany, nandefasana miaramila maro any an-toerana hiara-hiasa amin’ny zandarimaria.

Henintsoa H.

Partager sur: