Sambany tao anatin’ny andiany 12 nifanesy no tsy mandray anjara amin’ny CJSOI i Madagasikara. Voalaza fa nampikatso ny dia: ny olana noho ny fifandroritana andraikitra teo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Fiadidiana ny Repoblika.
Sady nalahelo, tsy nahitam-peo, menatra ny ankamaroan’ny mpitia fanatanjahantena, omaly. Tsy nisy nanampo fa tsy misy ny dia mihazo an’i Maorisy, namonjy ny lalaon’ny vaomieran’ny tanora sy ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indiana na CJSOI. Fifaninanana ho an’ny tanora lahy sy vavy latsaky ny 17 taona, andiany faha-12. Banga ny toeran’i Madagasikara nandritra ny lanonam-panokafana notanterahina tao amin’ny kianja Complexe sportifs Côte d’Or, afakomaly.
Tsy misy ny fampitam-baovao ofisialy mahakasika ny antony nahatonga ny firenena malagasy tsy nandray anjara. Mangina tanteraka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, izay manana andraikitra voalohany. Toraka izany ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, izay fantatra ihany koa fa misy fitaleavana iray, naka ny andraikitra momba ny fikarakarana. Eo indrindra no voalaza fa olana, satria nisy ny lamina tsy nety tamin’ny andaniny sy ny ankilany. Vokany, zary sorona ny fanatanjahantena sy ny mpikatroka malagasy, ary ny voninahi-pirenena. Tsiahivina, ny 20 jolay lasa teo, nanamafy ny filankevitry ny minisitra fa handray anjara i Madagasikara amin’ny lalao rehetra.
Diso fanantenana
“Efa herinandro izahay niandry ny fiaingana. Nahandry hatramin’ny fotoana farany. Nolazaina fa tsy mandeha indray. Taorian’izay, nalefa nody daholo ny atleta rehetra. Saingy efa nandritra ny herintaona, nanomanana ity fifaninanana ity”, hoy Rambeloson Hery, tale teknika nasionalin’ny federasiona malagasin’ny atletisma.
Araka izany, tazana be ny fahabangan’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity, raha hita avokoa ireo firenena mpikambana ao amin’ny CJSOI, toa an’i La Réunion, Seychelles, Mayotte, Kaomoro, Djibouti ary Maorisy.
Maharitra enina andro eo ity fifaninanana ity, 4 hatramin’ny 11 desambra. Mitondra ny lohahevitra hoe : « Tanora sy mavitrika » na “Jeune et dynamique”. Ary taranja 10 no hifaninanan’ireo tanora mahery ny arivo avy amin’ireo firenena enina. Isan’izany ny atletisma, futsal, voile, Tsipy kanetibe, handball amin’ny torapasika, lomano, boxe, halterophilie, tenisy, ary tenisy ambony latabatra.
Asa, hanao ahoana ny fiantraikan’izao tsy fandraisantsika anjara amin’ny CJSOI izao, amin’ny fanomanana ilay lalaon’ny Nosy, hetsika goavambe amin’ny taona 2023?
Fitia (Mpianatra Asa)