Tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, ny Ankoay lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny Ankoay vehivavy. Vokatra tsara misongadina amin’ny tantaram-pirenena sy ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel, tetsy Mahamasina. Mpilalao lehibe teo anivon’ny FMBB avokoa izy 8 mianadahy ireto izao nahazo vokatra tsara manerana an’i Afrika izao. Ho fankasitrahana izany ezaka goavana izany, nanolotra lelavola manodidina ny 8 tapitrisa Ariary ho azy ireo ny Federasiona. Tetsy ankilany, nankasitraka ireto mpilalao ireto ihany koa ny minisitra Tinoka Roberto ka nanolotra lelavola 2 tapitrisa Ariary avy ho an’ny Ankoay lahy sy vavy. “Maro ny mety tsy fahampiana sy ny lesoka amin’ny fiatrehana ny lalao iraisam-pirenena toy izao, saingy fotoanan’ny fanarenana izany izao”, hoy ny nambarany. Raha ny fandaharam-potoana, mbola horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha ireto mpilalao tompondaka ireto. Tsiahivina, nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany hatao any Autriche, ny volana jiona 2023, ny Ankoay lehilahy. Hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Israely kosa ny Ankoay vehivavy.
Mi. Raz