Niara-nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny delegasiona malagasy taranja karate miisa roa, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, omaly. Samy nitondra ny fanazavana mahakasika ny zava-nitranga tany Durban ny andaniny sy ankilany. Nanamafy Ratefinanahary Emile fa izy no efa neken’ny UFAK sy ny WKF ho filoha mpitantana ny federasion’ny karate-do Malagasy, nanomboka ny 2 desambra, taorian’ny fifanatrehana teo amin’ny andaniny sy ankilany. Taorian’ny fifampiresahana, navondrona iray ny delegasiona malagasy, izay nahitana atleta 12 mianadahy. Raha ny vokatra, medaly alimo miisa roa no niambozonan’ny atleta malagasy. Samy notsenaina makotroka avokoa moa ireto delegasiona roa samy hafa ireto. Tetsy ankilany, nitazona ny heviny ihany koa Andrianavomanana Solofo Barijaona, amin’ny mbola maha filoha azy .
Mi.Raz