Mbola niteraka resabe, teo amin’ny rehetra, omaly, ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara, tamin’ny lalaon’ny CJSOI 2022, mizotra ao Maorisy, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny minisitra Tinoka Roberto fa tsy laharam-pahamehana izany.
Nahoraka teny anivon’ny tambajotran-tserasera, ny mahakasika ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny lalaon’ny vaomieran’ny tanora sy ny fanatanjahantena eto anivon’ny ranomasimbe Indianina CJSOI 2022 (Jeux de la Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien), andiany faha-12, tontosaina atsy Maorisy. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Tinoka Roberto, omaly, teny Ivato. Nambarany fa tsy misy filaharana ity fifaninanana ity ka heverina fa tsy laharam-pahamehana amin’izao fanomanana ny lalaon’ny Nosy izao. “Aleo mandefa ireo atleta hiatrika fiofanana any ivelan’ny ranomasimbe Indiana, hahafahan’izy ireo mahazo traikefa bebe kokoa. Tsy tokony hatao resabe ny tsy nandehanan’i Madagasikara tany Maorisy, mbola maro ny fandaharam-potoana tsara kokoa homanina ho an’ireo atleta”, hoy ny nambarany. Ho avy eto Madagasikara rahateo ny CIJ, vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (Commission Internationale des Jeux) ny 15, 16, 17 desambra izao hijery ny lamina rehetra mahakasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Efa nahazo fanasana avy amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena maorisiana ihany koa ny minisitra Tinoka Roberto, hifampizara traikefa amin’ny fandraisana lalao.
Etsy an-kilany, efa fahafaham-baraka ho an’i Madagasikara manoloana ireo Nosy rahavavy ny tsy fandraisana anjara tamin’ity lalao ho an’ny tanora latsaky ny 17 taona ity.
Mi. Raz