Nitohy omaly talata, tao amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Raha ny vokatra, saika nandresy avokoa ireo mpilalao avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, mpampiantrano, eo amin’ny sokajy “veterans”, izay nahazoan’izy ireo fandresena miisa 4. Anisan’izany, i Mampianina, nandavo an’i Eric avy any Antsinanana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0, 6/3) ary i Clérmont, nanilika an’i Andry, milalao amin’ny Matsiatra ambony, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 , 6/0), ampian’i Jacques sy i Sandy, teo amin’ny “4 è série” lehilahy.
Nanjakan’Analamanga kosa ny sokajy “sénior” lehilahy. Nisongadina, tamin’izany, i Mahery nanilika an’i Jean Louis, avy any Antsinanana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ,6/2). Teo koa i Pedro, nandavo an’i Ny Aro Tia, avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 , 6/3).
Nahazo fandresena toa izany koa i David sy i Michel Antsinanana sy i Hubert, Matsiatra Ambony. Marihina fa ny alakamisy vao hiditra an-tsehatra ny “2ème serie” lahy sy vavy ary ny zoma ny an’ireo ao amin’ny “1ère série”. Tsiahivina fa haharitra hatramin’ny alahady ho avy izao ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity.
Fitia (Mpianatra Asa)