Ankorondrano : notokanana ny lalana Ranohisoa Seth

Notokanana, omaly, ny la­lana Ranohisoa Seth etsy An­korondrano. Tonga nanatrika izany ny ben’ny Tanà­nan’An­tananarivo Renivohi­tra, An­drian­tsitohaina Naina. Nataon’ ny ben’ny Tanàna ho laharam-pahamehana ny fa­metrahana ireo anaran-dalana eto Anta­nanarivo Renivohitra, ho an’ireo olomanga sy raiamandreny, noho ny fankasitrahana ny soa nataony teto Antananarivo sy ireo mpiara-belona rehetra nifanerasera taminy ary mba ho fitaratra sy modely ho an’ny tanora malagasy.
Itompokolahy Ranohisoa Seth dia anisan’ny olomanga nalaza teo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy nanorina ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) tamin’ny taona 1972. Efa filohan’ny fikambanana «Groupe Ranohisoa Frères et Compagnie» ary mbola nanana orinasa maro ihany koa izy. Efa Loholon’i Madagasikara, nanana fikirizana sy finiavana, niainga tamin’ny kely ary nahay nampiana-tena sy niroborobo tsikelikely Itompo­kolahy Ranohisoa.
Hita tamin’ny sehatra maro samihafa, toy ny fiompiana, ny fivarotana fiara sy ny maro hafa ihany koa izy. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny sehatry ny toekarena, ny politika sy ny fampandrosoana ary indrindra teo amin’ny asa sosialy ny tenany. Olona tia fiarahamonina. Anisan’izany ny fanomezany sekoly iray eo Ankorondrano, mitondra ny anaran’ny vadiny Ratsirahonana Ranohisoa Charlottes, ka rariny sy hitsiny raha eny amin’iny faritra iny no hametrahana ny anarany. Lalana mirefy 2 km eo izany, manomboka eo amin’ny Logistique pétrolière ka hatreo amin’ny Ibis Hotel.
Tsiahivina fa nahazo fankatoavana tamin’ny mpanolotsaina monisipalin’ny Kao­minina Antananarivo Reni­vohitra tamin’ny 31 aogositra 2022 ity lalana mari-pahatsiarovana an’Itompokolahy Ra­nohisoa Seth ity.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: