Basikety-“Ligue en fête” : orinasa 10 hifaninana

Raikitra ny hetsika “ligue en fête” karakarain’ny li­gin’Analamanga, taranja basikety, famaranana ny taom-pilalaovana 2022. Fifanina­nana hotontosaina ny 10 sy ny 11 desambra izao eny amin’ny kianja an’Ankatso. Notante­rahina omaly, ny atsapaka ka fantatra fa orinasa 10 no handray anjara izay nozaraina ho vondrona 2. Ao amin’ny vondrona A no hahitana ny OSTIE, JB, AIR MAD, ASCECNA ary ny UJSM. Ao amin’ny vondrona B kosa ny misy ny Ordres des avocats, ASOS, DOSC, Banque Cen­trale ary ny SMMEC. Lalao efatra isan’andro no hitranga eny Ankatso amin’ity fifaninanana ho an’ny orinasa ity, ka fifanintsanana no hatao ny sabotsy ary ny alahady kosa ny hanaovana ny dingana famaranana. Tsiahivina, hahitana fifaninanana eo amin’ny samy Lycée ihany koa amin’ity hetsika ity, ankoatra ny lalao natokana ho an’ny sokajy U10 hatramin’ny Seniors, hanomezana lanja ireo katitakely amin’ny “Star kids”. Tsy adinoina ihany koa ny lalao 3×3 ary hampiavaka indrindra ny hetsika “ligue en fête” ny lalao hifanandrinan’ny ligy 3 (Analamanga, Vakinankaratra ary Bongolava).

Mi. Raz

Partager sur: