Niakatra tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, ny raharaha momba ny zava-mahadomelina mahery “Cocaïne” naha voasaringotra ny “Assistant parlementaire” avy ao Vangaindrano.
Nolavin’ny fitsarana ao Toamasina, omaly, ny fangatahan’ilay «assistant parlementaire» ao Vangaindrano voatonontonona tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika. Nandritra ny famakian’ny mpitsara ny antontan-taratasin’ady nahalalana fa mifototra amina heloka telo ny votoatim-piampangana. Voalohany amin’izany ny fikambanan-jiolahy, fisandohana andraikitra nataon’io «assistant» io. Nilaza ho mpiasan’ny fandintseranana izy ary voasaringotra tamin’ny fampidirana zava-mahadomelina mahery vaika. Noho ny fahataran’ny fandraisana ny filazana, tsy nivonona tamin’ny fiatrehana ny fitsarana ny mpitory. Nijanona ho tsy azo tsaraina, araka izany, io antontan-taratasin’ady io.
Tetsy ankilany, niezaka nandresy lahatra ny mpitsara sy ireo mpampanoa lalàna ambony ny mpisolovava roa lahy an’ity voampanga ity. “Manao soa ary manampy ireo olona maro isan-karazany ka tsy azo eritreretina handositra”, hoy ireto farany. Nangataka fahafahana vonjimaika hiara-kanao fety amin’ ny fianakaviany, araka izany, ity “assistant parlementaire” ity ka nilaza fa ao an-tranony izy raha toa ka misy ny ilana azy. Namaly ny eo anivon’ny fitsarana fa natao hiaro ny zon’ny fanjakana ny fisian’izy ireo. Nivoaka ny didy savaravina fa azo raisina, saingy tsy mitombina ny fangatahana fahafahana vonjimaika ataon’ ity voampanga ity. Hiampy enim-bolana, araka izany, ny fihazonana azy am-ponja.
Nafangaro siramamy
Tsiahivina, nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy kaontenera mampiahiahy avy any Brezila tao amin’ ny seranan-tsambon’ i Toamasina, ny 22 novambra 2021. Natao ny fisavana ka sarona tao ny kitapo 18 isa milanja 650 kilao misy siramamy fotsy mampiahiahy sy toa mifangaro zavatra tsy fantatra. Naka singa ary nentina natao fitiliana tany Antananarivo ny mpanao fanadihadiana. Nivaly ny fitiliana fa zava-mahadomelina tena mahery vaika “Cocaine de base” ireto tra-tehaka ireto. Nampifangaroana siramamy fotsy avy any Brezila anefa izany nentina hanafenana azy ka ny 1 grama aminy hahazoana 10 grama azo ampiasaina. Vokany, voasambotra ny mpanampy solombavambahoaka iray tao Vangaindrano. Tafaporitsaka ny roa hafa. Nokasaina entina any Eoroapa ireto entana ireto. Noraisin’ny fitsarana ny fepetra ka nodorana ny 11 jona 2022 tao Antanandava ny Cocaine 18 kitapo, izay notarihin’ny tonian’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Rasamitiana Tang Ladislas, sy kolonely Ranaivoarisoa Théodule, kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Atsinanana.
Sajo/Tsiferana R.