Voatora-bato teo amin’ny lohany, naratra ny roa tamin’ireo polisy nandrava ny fihetsiketsehan’ny mpianatra tetsy ivelan’ny ENS Ampefiloha, omaly. Vao maraina, niatrana teny an-toerana ireo mpianatra nanao fitakiana. Nilanja sora-baventy, nanomboka nikononkonona tamin’ny fanangonam-bato izy ireo. Nigadona teny amin’ny manodidina noho izany ny mpitandro filaminana handamina ny raharaha. Nampiakatra ny hatezeran’ireo mpianatra izany. Ireto farany, izay efa nandoro kodiarana teo afovoan’ny arabe. Raikitra ny tora-bato. Tsy ankitsitsy, notorahin’ireto mpianatra nanao fitokonana ireto avokoa ireo teny ivelan’ny faritra fianarana. Mbola nisy mpandeha vitsivitsy sy fiara nandalo anefa tamin’izany. Niezaka nanosika ireto mpianatra ireto hiditra any amin’ny faritry ny fianarana, araka izany, ny polisy. “Tsy manakana velively ireo mpianatra hitokona mihitsy izahay raha toa ka ao anatin’ny faritry ny fianarana izy ireo”, hoy ny polisy. Nanakorontana ny manodidina izy ireo ary niteraka fahasimbana ho an’ny mponina tsy lavitra teo ny fihetsiketsehana. Tsiahivina, mpianatra taona fahatelo ao amin’ny ENS ireto manao fitokonana ireto. Tsy anisan’ireo voaray ho mpiasam-panjakana izy ireo ka anton’ny fitokonana. Tsy nisy ireo voasambotra, ho an’ny omaly, araka ny fanamafisan’ny eo anivon’ny polisy.
Tsiferana Randriatiana