Filoha Rajoelina : “Ezahina ny famokarana anatiny”‘

Nandray ny filoha vaovao mitantana ny Fida, Alvaro Lario, ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Anisan’ny noresahan’ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ireo seha-piaraha-miasa eo amin’ny roatonta. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, iarahana amin’ ireo tetikasa Defis, Formaprod, Cosop… “Fanamby ho an’i Mada­ga­sikara ny famokarana eto an-toerana ireo ilain’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampitomboana ny velaran-tany ha­mo­karana sy ny taha-pa­mokarana”, hoy ny filoha.
Nambaran’ny filohan’ny Fida kosa fa hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Malagasy izy ireo.
Fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra

Anisan’izany ny fampiroboroboana ireo tetikasa miompana amin’ny fanatsarana ny fiatrehan’ny tontolo ambanivohitra, mano­loana ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fampiofanana ary ny fametrahana ireo fotodrafitrasa isan-kara­zany.
Tsiahivina fa sampan’ny Firenena Mikambana (ONU), mpiara-miombon’antoka amin’i Madaga­sikara amin’ ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny tontolo ambanivohitra efa hatramin’ny taona 1979 ny Fida.

Synèse R.

Partager sur: