Fitsipaham-pitokisana: mila ny roa ampahatelon’ ny depiote

Azon’ny Antenimieram­pirenena atao ny maneho tsy fankasitrahana ny andraikitry ny governemanta amin’ny alalan’ny latsabato fitsipaham-pitokisana, araka ny voalazan’ny And. 103 ao amin’ny lalàmpanorenana. Tsy azo raisina anefa ny tolo-kevitra toy izany, raha tsy ny antsasaky ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena no manao sonia azy. Solomba­vambahoaka miisa 76 amin’ny 151 no ilaina amin’izany.
Valo amby efapolo ora aorian’ny fametrahana ny tolo-kevitra hotapahina vao azo atao ny latsabato ny amin’izay fitsipaham-pitokisana izay. Tsy lany ny fitsipaham-pitokisana raha tsy ny roa ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny Antenimieram­pirenena no mankato azy. Solombavambahoaka miisa 101 izany raha tiana ho trtatra ny tanjona. Raha voafidy eo anivon’ny Antenimieram­pirenena izay fitsipaham-pitokisana izay, mametraka ny fialany amin’ny filohan’ny Repoblika ny governemanta.
Raha ny fanangonan-tsonia eny Tsimbazaza amin’izao, efa mihoatra lavitra amin’ny fetr’isa ilaina ny fahazoan’ny Antenimieram­pire­nena manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Ha­nao ahoana kosa ny latsa-bato, fa hita ho mihazakazaka ny toe-draharaha tao anatin’ny 48 ora farany? Mila manana solombavambahoaka 50 mahery ny Praiminisitra, raha te hitana ny andraikiny ka tsy ho tratran’izay fitsipaham-pitokisana izay. Hanao ahoana?

R. Nd.

Partager sur: