Kitra – Orange Pro League: voasazy handoa 2 tapitrisa Ar ny Ajesaia sy ny TFFC

Noho ny gidragidra nisy teo amin’ny Ajesaia sy ny Tsaramandroso Formation (TFFC), nandritra nsy fiadiana ny “Orange Pro League” (OPL), nilatsaka ny sazy ho azy ireo. Samy voaheloka handoa volabe avokoa ny an-daniny sy ny an-kilany.

Nahazo sazy mavesatra, avy amin’ny CFEM (Club de football Elite de Madagascar), misahana ny fifaninanam-pirenena baolina kitra «Orange Pro League” (OPL), ny klioban’ny Ajesaia Bongolava sy ny Tsara­mandroso Formation Boeny (TFFC). Taorian’ny fifanjevoana nisy teo amin’izy ireo, nandritra ny andro fahatelo, natao ny alahady lasa teo, teny Ambohidratrimo, ny anton’izany.
Araka izany, voasazy handoa 2 tapitrisa Ar avy, ny klioba roa tonta, noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana, indrindra fa ny teo amin’ny lafiny fandriampahalemana. Ankoatra izay, tapaka fa nivoaka ho mpandresy ta­min’ny isa 3 no ho 0 ny Ajesaia, noho ny fandavan’ny TFFC, tsy hanohy ny lalao, taorian’ny zava-nitranga. No­hamafisin’ny CFEM fa raha mbola mamerina ny fihetsika tahaka ireny izy ireo, esorina tsy hifaninana intsony. Hisy fivoriana hiarahan’ny CFEM amin’ny TFFC, izay klioba vao niakatra avy any amin’ny D2 Nasionaly momba ny fomba fiasa tokony hatao.

Mpanazatra sy mpilalao voasazy
Ankoatra izay, voasazy Ramiandrasoa Seth Fanan­tenana, mpanazatra ny Aje­saia, handoa 3 hetsy Ar. Tsy mahazo mipetraka eo amin’ny “surface technique» ihany koa ny tenany ary tsy mahazo manazatra ny Ajesaia, ao anatin’ny lalao roa. Niharan’ny sazy ihany koa Ratovonana­hary Soloniaina Philémon, mpilalaon’ny TFFC, ka manefa onitra 5 hetsy Ar sy tsy fahazoana miatrika lalao miisa enina. Eo koa i Rachid Julio sy i Be Anouwar, mandoa 2 hetsy Ar avy sy tsy mahazo miakatra kianja mandritra ny lalao telo. Mitovy amin’izany koa ny sazin’i Anito Andriamifidy, mpilalaon’ny Ajesaia.
Fantatra ihany koa fa no­saziana handoa 1 tapitrisa Ar ny ASA Diana, taorian’ny tsy niatrehan’izy ireo ny lalao tamin’ny AS Fanalamanga. Noho izany, nandresy tamin’ny isa 3 no ho 0 ny AS Fanala­manga. Marihina fa hoesorina ao anaty fifaninanana ny ASA raha toa ka tsy mbola tonga miatrika ny lalao manaraka.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: