Mbola vao 16 taona monja Andriamamonjisoa Ny Antso dia efa nankafy ny teny malagasy tamin’ny fandalinana kabary. Anisan’ny nahazo fankasitrahana tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Fikambanan’ny Mpikabarin’ Antehiroka sy ny “Association Andraina” izy, ny taona 2019. Roa monja ny mpandray anjara tamin’ny sokajy ankizy tamin’izany. Tsy nijanona teo amin’ny am-bava fotsiny ny fankafizany ny teny malagasy fa niitatra amin’ny fandraketana izany an-tsoratra. Efa iangaliany koa izao ny tononkalo, sombintantara ary mikambana ao amin’ny Mpizaka Stelarim izy. Nahitany fahombiazana izany fitiavany ny tenindrazany efa hatramin’ny fahakely izany. Vao tsy ela fa tamin’ny 18 novambra 2022 teo izy no voatonona ho isan’ny nahazo voalohany tamin’ny fifaninanana soratononina nokarakarain’ny Foibe Momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy. Anisan’ireo tanora 6 tsy nahitana diso tsipelina tamin’ny fifaninanana soratononina andiany faharoa izy. Ankehitriny, 19 taona ny tovovavy, mpianatra mpikaroka, taona faharoa ao amin’ny Zanatsehatra Malagasy eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. « Mahafinaritra sy kanto ny teny malagasy, saingy mila finiavana be ny fianarana azy » araka ny nambarany.
« Samy manana ny fomba mety aminy ny tsirairay »
Efa tena mihanaka anefa ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ankehitriny, ka raha nakana hevitra ny mba hanoroana ny fomba hahaizana izany ho an’ny tanora izy dia nilaza fa : « Samy manana ny fomba mety aminy ny tsirairay ary samy tokony hitrandraka ny lafin-javatra tiany sy ny talentany avy mba hianarana io teny malagasy io. Anisan’ izany, ohatra, ny fitiavana mamaky boky. Tsara trandrahina koa raha manana talenta amin’ny kabary na fanoratana na kanto hafa ahafahana mandalina ny teny malagasy ny olona iray ». Ankoatra ny fianarana sy ny famolavolana azony tamin’ny fikambanana misy azy dia ny fihainoana ireo hira amin’ny fitenim-paritra sy ireo kalon’ny fahiny no ianarany ity tenim-pireneny ity amin’ny andavanandrom-piainany. Nambarany koa anefa fa azo ampiasaina hianarana ny teny malagasy ny tambajotran-tserasera, izay efa ampiasain’ny maro ankehitriny. Tsy vitsy ny pejy facebook misahana ny fampivelarana ny teny malagasy ankehitriny, ka tokony hohararaotina ireny. Faniriany ny ho lasa lavitra amin’ity tenindrazantsika ity mba ho reharehan’ny tontolo namolavola azy.
Narilala