Tafakatra 17 no maty: voamarina ny fisian’ny poizina mahery vaika

Namoaka ny valin’ny fanadihadiana voalohany tamin’ny fitsirihana ireo ambin-tsakafo ny avy amin’ny Sampana mo­mba ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka, omaly. Fantatra tamin’izany, fa fanampoizinana ara-tsakafo ary poizina mahery vaika ny antony nahatonga ny fahafatesan’olona maro nandritra ny fety natao teny amin’ny trano fanaovana lanonana eny Ambohimalaza, ny sabotsy alina teo. Tsy mbola voafaritra tamin’ireo singa notsirihina ny nahatonga ny aretina. Voalavo dimy no nomena ireo ambin-tsakafo ary samy nahitana ireo fambaran’aretina nahazo ireo narary avokoa. Maty avokoa ireo biby ireo dimy segondra taorian’ny nihinany ny sakafo.
“Misy ny fepetra manokana noraisin’ny “cellule de crise” ivondronan’ny minisitera samihafa hamantarana ny antony nahatonga ny trangana fahafatesana”, hoy ny Général de Division, Ravoavy Zafisambatra, Talen’ny fiarovana sy ny fikaroham-baovao avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Anisan’izany, ny fanadihadiana atao amin’ny ambin-tsakafo rehetra nampiasaina teny an-toerana sy teny anivon’ny tokantrano nanao ny fikarakarana ny sakafo. Marihina fa tafakatra 17 ireo olona namoy ny ainy, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny CHU-JRA Ampefiloha, omaly. Nitombo 49 ireo tonga manaraka fitsaboana eny an-toerana. Niisa efatra ireo narary efa nalefa nody. Mbola misy hatrany ireo olona mbola ao anatin’ny fameloman’aina. Nivoaka farora-bava ny va­van’ireo maty, nibontsina ary nivoaka ra ihany koa ny vatany.

Mino

Partager sur: