Anio vao tena hanomboka ny fiadiana ny tompondaka eran-tany taranja bodybuilding, taona 2023, hatao any Thailand, rehefa avy nilanja ireo atleta malagasy miisa dimy, omaly. Hiakatra an-tsehatra voalohany anio, Andriatsilavina Joseph na i Tsilah kely. Hifaninana rahampitso kosa i Marinjara Maurice, Randrianarimanana John Mario na i Bigman ary Randrianasolo Nantenaina Fitiavana na i Monstre. Ny alahady 11 desambra kosa ny anjaran’ny vavitokana malagasy, Rafalinirina Jeniah Stéphanie na i Stessy, ho an’ny sokajy Miss Bikini. Vonona tsara ireo atleta dimy mianadahy izay manantena hiambozona medaly betsaka noho ny tamin’ny taon-dasa, araka ny nambaran’i Maurice, bokonozatra malagasy nisalotra ny medaly volafotsy nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany natao tany Ouzbekistan ny taona 2021.
Mbola mikotrana mafy izy ireo any an-toerana mialohan’ny tena hiakarana an-tsehatra.
Mi.Raz
Fandaharam-potoana
Zoma 9 desambra: Andriatsilavina Joseph
Asabotsy 10 desambra: Marinjara Maurice/ Randrianarimanana John Mario/ Randrianasolo Nantenaina Fitiavana
Alahady 11 desambra: Rafalinirina Jeniah Stéphanie