CUA – Fondation Viseo: mifanampy mamaha ny olan’ny fako

Taotrano tsy efan’ny irery ny fanadiovana ny renivohitra, manana adidy iombonana ny rehetra. Nitondra ny anjara birikiny, amin’ny famahana ny olan’ny fako ny Fondation Viseo.

Nanolotra « Engin » iray hanampiana ny CUA amin’ny fandraofana fako sy « Ordinateur complet » miisa 50 entina hanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka manerana ny boriborintany enina eto an-dRenivo­hitra ny eo anivon’ny Fon­dation Viséo, omaly. Notan­terahina tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana tsotra nandraisana izany. Antony nanoloran’izy ireo izao fanomezana maro izao ny fahatsapan’ny mpiara-miombon’antoka ny halehiben’ny asa efa vitan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fananany andraikitra. Na­nolotra fisaorana ho an’ity Fondation ity ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo, Andri­an­tsitohaina Naina. “Nahatsa­pa ianareo amin’ny fako amin’izao faran’ny taona izao ka tsy nisalasala nanampy ny CUA eo amin’ny fampitaovana. Ilaina izany ary ampiasaina ho amin’izany ny “Engin” ka tokony hahitam-bokany amin’ny herinandro”, hoy izy.

Resaka fandoavana hetra

Nanteriny fa sady nahavoaloa ara-dalàna ny hetrany no mbola manome fanampiana goavana tahaka izao ho an’ny kaominina ny Fon­dation Viseo. «Mahamendrika anareo izany fa manao ny adidy manampy ny Tanàna sy ny firenena, indrindra amin’ny lafiny sosialy, araka ny nambarany hatrany. Misy ny olona sady tsy mandoa hetra nefa mimenomenona. Ao ireo manampy ny kaominina fa mbola tsy feno ny hetrany. Misy koa ireo sady efa voaloa ny hetrany no mbola manampy ny CUA hatrany », hoy iha­ny izy.
Nanentana ny mponina hatrany mba samy handray ny andraikitra tandrify azy ho fampandrosoana ny renivohitra ny ben’ny Tanàna, An­drian­tsitohaina Naina.
Tsiahivina fa tsy vao voalohany ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny Fonda­tion Viseo. Efa nisy ny fanomezany fiara, fanamboarana EPP, mihoatra ny 10 sy ireo fanampiana amin’ny endriny samihafa ho an’ny kaominina. “Hitohy ny asantsika sy ny fiantsoana olon-kafa ho amin’ny fanatsarana ny tanàna”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: