Efa nigadona any Japana, omaly 8 desambra maraina, Rakotoarivelo Nampoina Daniel, ilay judokas malagasy manana olana ara-pahitana, miaraka amin’ny mpanazatra azy, Sensei Ranjatoson Antsa. Hiatrika ny fifaninanana “Grand Slam pour les malvoyants” izy, hanomboka ny 11 desambra izao. Efa nanomboka omaly ihany ny fanazaran-tenan’i Nampoina ary salama sy matanjaka tsara izy, araka ny vaovao nampitain’i Sensei Antsa, manaraka akaiky azy any an-toerana. Tsiahivina fa nanana olana teo amin’ny hoenti-manana ity judokas jamba ity ary notapahina nandritra ny filankevitry ny Minisitra, ny alarobia lasa teo fa ny fanjakana no miantoka tanteraka ny fandefasana azy any Japana hiatrika ity fifaninanana ity. Hiady ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2024 hatao any Paris i Nampoina amin’izao “Grand Slam” hatrehiny izao. Sambany eo amin’ny tantaran’ny Judo malagasy no hisy judokas jamba hiatrika lalao iraisam-pirenena goavana toy izao. Manantena ny hahazo vokatra tsara i Nampoina satria efa ela ny nanomanana ity fifaninanana ity, araka ny nambarany talohan’ny niaingana.
Mi.Raz