Hiditra amin’ny andro fahefatra ny fifaninanam-pirenena taranja baolinakitra “Orange Pro League” (OPL), rahampitso asabotsy sy ny alahady ho avy izao. Aorian’izay, nanapaka ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), fa hiato kely ny fifaninanana, manomboka ny 12 desambra ho avy izao, noho ny fampivondronana ireo mpilalao voaantso handrafitra ny Barea, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan”, hatao any Alzeria ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary 2023. Raha tsy misy ny fiovana, hitohy indray izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany, ny 22 sy 23 desambra, izay hidirana amin’ ny andro fahadimy.
Aorian’izay, hiverina hamonjy ny fampivondronana any amin’ny Barea indray ireo mpilalao rehetra. Ankoatra izay, fantatra fa hisy lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Barea Chan amin’ny ekipan’i La Réunion, hohatevenin’ireo mpilalao malagasy, milalao any an-toerana. Fihaonana hotanterahina ny asabotsy 17 desambra ho avy izao, ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. “Vonona hampiseho ny talentanay sy hanome tsapa ho an’ireo Barea Chan izahay.” Hoy i Dina, mpilalao mila ravinahitra atsy La Réunion.
Tsiahivina fa hanatevina ity ekipan’i La Réunion, ity ry Mamy Gervais, Bapasy, Fabrice, Dina, Baggio, Boura , Jimmy Simouri, ary Ando Pro, rahalahin’i Bolida.
Fitia ( Mpianatra Asa)