Mandriambero : lehilahy iray nitsoraka tao ambany kamiao

Tranga mampalahelo. Raim-pianakaviana iray 35 taona namoy ny ainy, omaly, rehefa avy nitsoraka tao ambany kamiao nandalo teny Mandriambero Andrano­ta­pa­hana. Tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro teo, nandeha tahaka ny olon-drehetra eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra izy. Nahita ka­miao iray nandalo, avy hatrany dia nitsoraka tao ambanin’ny kodiarana. “Nandeha mora avy any Ambohidra­trimo saika hihazo ny renivohitra ilay kamiao tamin’io fotoana io”, hoy ny fanaza­van’ny zandarimaria ao Tala­tamaty. Nitsoraka tao ambany kodiarana aoriana ilay rangahy, tsy nisy ratra ny vatany, saingy niteraka famoizan’aina ny voina nahazo azy. Raha ny fanazavana voaray, tsy maty teo no ho eo anefa izy fa mbola noentina vonjimaika teny amin’ny hopitaly, hoy ny mpitsabo nijery azy. Indrisy anefa fa namoy ny ainy izy nony tonga teny amin’ny hopitalin’Anosiala.

Tsy misy mahafantratra ny antony nahatonga azy namono tena. Salama saina rahateo ny lehilahy, hoy hatrany ny zandary. Taorian’io, nisokatra ny fanadihadiana. Nanaovana famotorana eny amin’ny biraon’ny zandary ihany koa ilay mpamilin’ny fiara. No­giazana kosa ilay kamiaobe.

Henintsoa H.

Partager sur: