Tsy fahatokisam-pitsipahana
Nisy ny fiantsoan’ny Antenimierampirenena ny Praiminisitra sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nikaton-trano ny fihaonana tamin’izany. Saingy nivoaka tamin’ny tsiliantsofina tetsy sy teroa ihany fa ny Antenimierampirenena no hoe manontany sy manara-maso ny asa sy izay ataon’ny governemanta, fa tsy ny mifamadika amin’izay: ny governemanta indray ve no ndeha hanadihady an’ireo solombavambahoaka? Ny amin’ny toe-bola sy ny fitantanam-bola no foto-dresaka sy adihevitra.
Izay no tsy nampifankahazo, Nisy nanetsika ny fanangonan-tsonia hahazoana manao latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Na izany aza, tao ny nilaza fa efa andro maromaro taloha no nisy niketrika izay fanangonan-tsonia izay. Farany, 105 ny sonia voaangona raha 76 no ilaina; eny, na nisy aza no nitsipaka marindrano ny fanaovana fitsipaham-pitokisana. Fisaraham-bazana, Na ny samy mpanohana sy mpiara-dia amin’ny fitondrana aza, tsy nifankahazo hevitra be ihany.
Nihazakazaka ny toe-draharaha, Na nihisitra ka nikatso…Vaky bantsilana fa tsy nanaraka ny dingana sy ny fomba arahina araka ny fitsipika anaty mifehy ny Antenimierampirenena ny fanangon-tsonia ary nisy ny halatra sonia. Lasa tsy fahatokisam-pitsipahana ny fikasana hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta fa tsy azo tanterahina. Hanao ahoana? Nahemotra ho amin’ny herinandro ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta. Hiverina ve ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta?
Misy milaza fa tokony hangataka ny hanaovana latsabatom-pitokisana amin’ny Antenimierampirenena ny Praiminisitra hialan’ny disadisa hisian’ny fahamarina-toerana politika. Ho hita eo…
R. Nd.