«Zanaka tiana tsy hitsitsian-drotsakazo», hoy ny Ntaolo. Mivadika ho heloka bevava kosa rehefa mihoatra ny tokony ho izy. Saika maty noho ny vono nataon-dreniny ny zazavavikely tratra nangala-bola, omaly.
Tsy misy fo nangoraka amin’ny maha reny! Sady nodarodarohany no nofatoran’ny ramatoa tamin’ny tady ny zazavavikely iray, omaly, tao amin’ny tanànan’i Ranovisy ambany anatin’ny distrikan’Antsirabe. Nangalarin’ilay zaza fahatelo zanak’ity ramatoa ity ny vola tao an-trano. Nitady io vola io ilay reniny saingy nandà ho tsy naka izany ilay zaza. Nentin’ny hatezerany, nikasi-tanana avy hatrany ny zanany izy. Nanampy trotraka ny tsy maha eo ny rangahy vadiny. Nanamparany ny fony ilay zaza. Naratra vokatry ny daroka nahazo azy io zazavavikely io. Taorian’izay, tsy napetrak’ ny reniny izy. mbola nofatorany tady ny tanany sy ny tongony ary nofeheziny lamba ny vavany.
Kely ny heriny
Nampanahy ny fahasalaman’ity zazavavikely ity raha toa ka taraiky ny famonjena azy, araka ny nambaran’ireo manodidina. Tamin’ny fotoana nanesorana ny tady teo aminy, efa nalemilemy ary tsy nahavita inona intsony izy. Niroso tamin’ny fisamborana ity ramatoa ity ny eo anivon’ny Kaomisaria Central ao Antsirabe. Natao ny famotorana io renim-pianakaviana io. Nentina notsaboina kosa ilay zaza naratra. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Marihina fa tsy vao sambany niharan’ny fampijaliana nataon’io reniny io ity zaza ity. Tsy ao an-toerana ny rainy ka matetika anamparan’io ramatoa io ny hatezerana ity zaza ity. Na izany aza, nanamafy ny eo anivon’ny polisy ao an-toerana fa tokony hilefitra ary handinika ny hevitra entina hifehezana ny zaza ao an-tokantranony ny ray aman-dreny tsirairay hisorohana ny tranga tahaka izao.
Tsiferana R.