Rallye Bosch CT Motors : nizotra tsy nisy tomika ny andro voalohany

Nizotra tsara ny andro voalohany amin’ny Rallye Bosch CT Motors. Nandray ny fiaingana avokoa ireo fiara 31 hifaninana amin’ity. Ny dingana manokana “ES” mi­isa 3 no notanterahin’ireo mpifaninana tamin’izany. Ny “ES 1”, nampitohy an’ny Radio Nederland sy Avaratsena Tala­ta, mirefy 8, 56 km no natao voalohany. Ny “ES 2”, Ampa­neva “B” sy Ampaneva “A” 1, misy halavirana 8, 74 km indray ny faharoa ary namarana ny andro omaly ny “ES 3” Mahadery Talata sy Amboro­rosy 1, mirefy 21, 44 km.
Hitohy anio ny fifaninanana ka “ES” miisa 6 manomboka eo amin’ny “ES 4” ka hatramin’ny “ES 9” no tsy maintsy vitan’ireo mpifaninana, hany sisa mbola manohy ny hazakazaka. Marihina fa anisan’ireo mpifaninana ho an’ny CT Motors, Haja D sy Ryv, mitondra Ssanyong. Eo koa ny SSV Polaris, entin’i Laza.

Tompondaka

Partager sur: