Sekolim-pinoana ao anatin’ny FFKM: marary ka mila fansitranana ny sehatry ny fanabeazana

Miray feo ireo sekolim-pinoana ao amin’ny sehatry ny FFKM fa marary ny sehatry ny fanabeazana. Anisan’izany ny tsy fahatomombanana. Mitondra soso-kevitra koa anefa izy ireo, manoloana izany.

Nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny Kolejy teolojika Ivato, hanarenana ny sehatry ny fanabeazana ny sampan’asa fanabeazana ao anatin’ny Fiombo­nan’ny Fiangonana Kristiani­na eto Madagasikara (FFKM), omaly.
Ny fitaleavam-pirenena efatra ao anatin’ny FFKM, ahitana ny foibem-pitantanana sekoly FJKM, Katolika, Loteranina ary ny Eklezia Episkopaly Malagasy (EEM) no miatrika ny atrikasa. Hampita any amin’ny rafi-pitantanana tsirairay ary mi­paka any amin’ny mpanabe sy ny mpianatra izany avy eo.
Marary ny tontolon’ny fa­nabeazana eto Madagasika­ra ka tsy mitazam-potsiny ma­noloana izany ny sekolim-pinoana, mitady vahaolana sy mikendry fanarenana hatrany.
Nivoitra tao anatin’ny zaikabe fahasivy-n’ny FFKM tamin’ny taona 2021 sy ny komity foibe faha-41 tany Ambatondrazaka farany ra­hateo ny hahafahana mijery manokana ny sehatry ny fanabeazana indrindra ny fanarenana tsy maintsy hatao.
Tsy ny lafin’ny pedagojika ihany no mila harenina fa ny tontolo rehetra manodidina mi­hitsy. Miainga amin’ny tontolo izay iainan’ny mpianatra ho fanarenana ny tontolo iainana sy mba hikajy izany. Faha­roa ny fiainana ilay fiombonana anatin’ny fiainam-panabeazana mba hiitatra any amin’ny tontolom-piarahamonina. Laha­ram-paha­mehan’ny FFKM rahateo izany.
Soritr’aretina eo amin’ny fanabeazana ny andraikitra tsy tomombana amin’ny lafiny maro. Manomboka any amin’ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena izany ka hatrany amin’ny mpitantana ny sekoly. Raha tsy mazava ny foto-kevitra ijoroan’ny fanabeazana eto Madagasika dia tsy mazava hatrany ifotony mihitsy ny zavatra rehetra.
Fanapahana tsy nanaovana fakan-kevitra
Vao tamin’ity herinandro ity ny fandanian’ny antenimieram-pirenena ny lalàna momba ny fanabeazana. Mila fikaonan-doha ny fanapahana kanefa tsy nisy akory na ny fakan-kevitra aza. Efa anisan’ny aretina mikiky ny fanabeazana izany tsy fisian’ny fakan-kevitra izany.
Eo koa ny tsy fijerena loatra ny tena filan’ny fanabeazana fa mahazo faka amin’ny te­tikasa ny fitantanana ny fanabeazana, hoy ny lehiben’ny Dinec, mompera Ranaivoson Jules .
Tokony hisy ny Filan-kevi-pirenena momba ny fanabeazana. Efa tapitra ny fe-potoam-piasan’izy ireo tamin’ny taona 2019 ary tsy nohavaozina intsony. Rehefa misy tolo-dalàna toy izao anefa dia alalinina kely eo amin’ny filan-kevi-pirenena momba ny fanabeazana izany. Nosoloina an’ilay hoe « Plate­for­me national pour le pilotage du secteur éducation » (PNP SE) io amin’izao fotoana.
Ao anatin’io anefa dia maro ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanohana ara-teknika sy ara-bola ary misy solotenan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy teknika fa matetika tsy dia manolo-kevitra ireo.
Misy koa ny solotenan’ny fitaleavam-pirenena avy amin’ny sekoly tsy miankina sy ireo sekolim-pinoana efatra anatin’ny FFKM izay tsy mitsahatra nanolo-kevitra. Farany teo dia nanolotra ny fanitarana ny PSE ho amin’ny 2023 dia nampiana fanitarana sy fanatsarana izany kanefa tsy lany tao amin’ilay PNPSE. Anisan’ny mampandringa ny fanabeazana izany.
Fomba hahafahana ma­nolo-kevitra manoloana ny aretina mahazo ny fampianarana eto Madagasikara no hataon’izy ireo. Hitondra soso-kevitra atolotra any amin’ireo tompon’andraikitra. Fanofanana anivon’ny sekoly sy fanatsarana ny fa­nabeazana no tanjona.

Tatiana A

Partager sur: