Fifandonana mahery vaika : jiolahy efatra maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny balan’ny polisy ireo roa lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana teny Anosibe, ny talata 7 mey teo. Roa lahy hafa rotiky ny bala teny Imerintsiatosika.

Nifamaly tifitra tamin’ny mpitandro filaminana, maty voatifitra ny jiolahy roa lahy anisan’ireo nikasa hamaky fiara teny Anosibe, ny talata 7 mey teo. Nihaodi­haody teny amin’ny manodidina ny fiara ireo olon-dratsy. Efa nanomana paikady hamakina ilay fiara izy ireo. Tsika­ritry ny mponina teny an-toerana fa naneho fihetsika hafahafa sady nampiahiahy ireo jiolahy ireo. Niditra an-tsehatra ny polisy. Namoaka fitaovam-piadiana mahery vaika avy hatrany anefa ireo mpangalatra. Raikitra ny fifampitifirana. Voatifitra teo amin’ny kibony ny jiolahy iray. Voan’ny bala koa ny namany ka nidaraboka tamin’ny tany. Vokany, roa lahy niara-maty voatifitry ny polisy. Nahatra­rana fitaovam-piadiana toy ny basy sy antsy lava teny amin’ireo jiolahy lavo ireo. Nanao tari-dositra kosa ny namany.

Herintaona nifampitadiavana

Ankoatra io, maty voatifitry ny zandary tao Imerintsia­tosika i Solo Crochet, jiolahy raindahiny, afakomaly. Noka­rohina hatry ny ela, voasambotra tao amin’ny fokontany Fonenana, kaominina Ime­rin­tsiatosika izy. Niaiky heloka nandritra ny famotoran’ny mpitandro filaminana fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana niseholany tao Manjakan­driana, Carion, Ambatofotsy hatrany Behenjy. Nentina hisambotra ireo namany tao Maromena io jiolahy io kinanjo notsenain’ireo namany tamin’ny tifitra variraraka ny zandary. Niezaka nandositra i Solo Crochet ka maty voatifitra. Jiolahy iray namany koa, namoy ny ainy nandritra ny fifandonana. Nahitana basy teny amin’ity farany. Jiolahy telo lahy naman’izy ireo azo sambo-belona.

Tsiferana R.

Partager sur: