Federasion’ny tenisy : hampivondrona ireo teknisianina

Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tenisy, natao tany Antsirabe, ny 5-11 desambra, nisy ny fivoriambe ara-potoana, notarihan’i Naina Zan­dina, filohan’ny Federasiona (FMT) sy ny ekipany, niaraka tamin’ireo filohan’ny ligim-paritra miisa enina dia Ana­la­manga, Antsinanana, Matsia­tra Ambony, Boeny, Vakinan­karatra, Atsimo Andrefana, natrehin’ireo kaomisiona teknikam-paritra (CTR) sy ny solontenan’ny ministeran’ny Fanatanjahantena. Marihina fa tsy tonga noho ny antony manokana ny filohan’ny li­gin’Amoron’i Mania. Nahazo ny fankatoavana 100% ny komity mpitantana, taorian’ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ara-moraly.
Ankoatra izay, tapaka nandritra io fivoriana io fa hisy fampivondronana ireo teknisianina rehetra eto Madaga­sikara, amin’ny taona ho avy. Natao hampivoarana ny taranja tenisy izany, mba hizaran’izy ireo traikefa ho an’ireo mpilalao zandriny.
Tetsy ankilany, nanao an­tso avo amin’ny minisitera mpiahy ny filohan’ny FMT fa mahatsiaro miady irery izy ireo, ary tsy mbola nahazo fa­nampiana avy amin’ny minisitera mihitsy, hatreto.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: