Niavaka ny ekipan’ny AC Sab-Nam Antsirabe, amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny 9 – 17 desambra. Raha tsiahivina ny vokatra, fandresena indroa no efa azony ka anisan’izany ny nandreseny ny AJSAI Matsiatra Ambony, tamin’ny isa 5 no ho 1, teo amin’ny andro voalohany, ary nanilika ny Asefema Itasy, tamin’ny isa 5 no ho 1 ihany koa teo amin’ny andro faharoa.
Tany amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa indray, namiratra ny ekipan’ny Disciples FF Vakinankaratra, izay manana isa 6 rehefa nahazo fandresena indroa misesy. Teo amin’ny andro voalohany, nandavo ny 3FB Betroka, tamin’ny isa 5 no ho 1. Nanilika ny 3FB Ambovombe Androy, tamin’ny isa mavesatra, 9 no ho 0 ho an’ny andro faharoa.
Natao hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny Barea vehivavy, hanao ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ity fifaninanam-pirenena, ity.
Fitia ( Mpianatra Asa)
Vokatra andro faharoa
Kianja Acmil Antsirabe
AFDA Diana (0) – (1) Mifa Analamanga
AJSAI Matsiatra Ambony (0) – (1) FCF Alaotra Mangoro
AC Sabnam Vakinankaratra (5) – (1) Asefema Itasy
Kianja Ampasambazaha Fianarantsoa
3FB Betroka Anosy (0) – (3) ASOT Analamanga
3FB Ambovombe Androy (0) – (9) Disciples FF Vakinankaratra
AS Ammi Amoron’i Mania (0) – (1) Ascuf Matsiatra Ambony