Vy tsy mikitrana irery! Tsy mbola vita fa mifanjinja ny samy depiote, andaniny. Mitohy ny tsy fifankahazoana eo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta, ankilany. Manoloana izany, maro ny vondrona, fikambanana, antoko, miantso fitoniana.
Mivadika ho disadisa anatiny ao Tsimbazaza ny tohin’ily fitsipaham-pitokisana, nivoaka niditra iny. Misy ireo izay miketrika ny hanesorana ny lehiben’ny Antenimierampirenena ka hametraka ny olony. Eo koa anefa ireo miaro ny lehibeny ary mampirisika azy hifikitra amin’ny toerany, ka tsy hanana eritreritra ny hametra-pialana izany na hanaiky fanesorana. Mihenjana ny tady amin’ny samy mpanao lalàna. Iry sokajy voalohany, efa niandry kendritohina fotsiny, ireto farany mihantsy, hatreny anaty tambajotran-tserasera. Mety tsy mbola maty ankaranany izany ny tsy fitoviam-pijery sy ny tanjona na samy milaza ho mpanohana ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry daholo aza. Tsy mbola mampilamina azy ireo ihany koa ny fanambaran’ny lehiben’io Andrimpanjakana io, Razanamahasoa Christine, omaly, teny Tsimbazaza. “Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ny filoham-pirenena mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena ny tenako manokana sy ny solombavambahoaka maro anisa”, hoy izy. Niantso fitoniana sy filaminana ho an’ny vahoaka ny tenany tamin’izany fanambarana fohy izany. Niaiky koa anefa ny tenany : “Ny isavorovoroan-kilantoana”, hoy ihany izy. Nanao antso avo ny amin’ny tokony hametrahana fitoniana koa ny filohan’ny Antenimierandoholona.
Mbola eo hatrany ny disadisa…
Na izany aza, mbola mitoetra hatrany ny disadisa eo amin’ireo depiote sy ny avy amin’ny governemanta raha ny tranga niseho teny Tsimbazaza. Voaporofo sahady izany, omaly. Tsy nomena fitenenana ireo solontenan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, manoloana ilay tolo-dalàna momba ny zon’ny mpamorona ka nolaniana teo anivon’ny asam-baomiera. “Heverinay ho toy ny tsy misy intsony ny governemanta ka tsy tokony hisy solontena handray anjara amin’ny asam-baomiera tahaka izao intsony”, hoy ireo depiote.
Ankoatra izany anefa, nipi-kelika amin’izao raharaha mafampana eto amin’ny firenena izao, ny avy amin’ny fanoherana. Efa nitaky izany fitsipahana ny governemanta izany izy ireo tamin’ny fotoam-pivoriana ny volana mey teo, saingy vitsy anisa. Tonga amin’ny ilany azy izany izao ny toe-draharaha. Tsy mandeha ho azy rahateo ny fidinan’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc any Fianarantsoa, na efa voaomana mialoha aza.
Malemy sy miady an-trano ny IRD
Ao anatin’izany rehetra izany, malemy sy tratry ny ady an-trano ireo depiote maro anisa, eo anivon’ny vovonana IRD. Tsy azo antoka ny hiravonan’izany anio na rahampitso na efa teo aza ny fivoriana nataon’izy ireo. Mety tsy hijanona amin’ny nanesorana ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta izany. Anisan’ny niketrika sy namolavola izany ny maro anisa, IRD eny Tsimbazaza ary nanasonia izany koa. Nanala indray izany sonia izany avy eo raha nilaza ho niharan’ny hala-tsonia kosa ny hafa. Etsy andaniny, tsy azo ialana ny mety hananan’ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta alahelo, manoloana ireo solombavambahoaka. Tsy mahagaga raha tsy tanteraka intsony mihitsy ilay fifanatrehana teo amin’ny roa tonta. Malaina ary tsy mazoto hifanatrika ny andaniny sy ny ankilany. Azo antoka fa tsy te hifanatri-tava amin’ireo nikasa hanongana azy ireo minisitra sy ny praiminisitra. Tahaka izany koa, tsy te hahita ireo tokony efa niala eo amin’ny sezany ireo depiote. Ho sahirana ny lehiben’ny governemanta raha hitohy ny asany amin’ny fanolorana ny fandaharanasany eny amin’ny Antenimierampirenena.
Volamena nivadika korontam-by…
Tsy mivaha izany ny olana hatreto nefa anisan’ny nasongadin’ireo depiote ho anton’ny fitsipahana ny governemanta ny momba ireo volamena, nivadika korontam-by tany anaty birao nefa tsy nisy tohiny ny raharaha. Ny tsy fisian’ ny fandriampahalemana… Eo koa ny politikan’ny fanjakana tsy mazava manoloana ny fanafarana entana, manoloana ny vokatra eto an-toerana. Hijanona amin’izao izany ny governemanta, hilamin-tsaina na eo aza ireo disadisa samihafa izao ? Sa mety hisy fanovana ampahany ato ho ato?
Manoloana izany, mazava ny nambaran’ny MMM fa tena anaty krizin’ny samy Andrimpanjakana isika izao noho ny tsy fanarahan-dalàna eto amin’ny firenena. Eo koa ny fifampitsabahana andraikitra sy fahefana.
Etsy andaniny, miantso vonjy amin’ny FFKM ireo mpanao politika sasany ny amin’ny hanelanelana izao toe-draharaham-pirenena izao. Anisan’izany ireo mivoy ny fanorenana ifotony. Mazava anefa ny hevitr’ireo filoham-piangonana farany teo fa tsy mbola miditra amin’ny resaka politika izy ireo, aloha hatreto. Miandry ny fihaonamben’ny zanany, hatao amin’ny taona ho avy amin’ilay hetsika “Fanorenam-pirenena” ny eo anivon’ny fiangonana.
Ho tonga hatraiza avokoa izany rehetra izany ? Efa antomotra anefa ny taona 2023, hanatanterahana ny fifidianana…
Synèse R.