Rallye Bosch CT Motors : Voalohany i Fred sy i Mick

Norombahin’i Fred sy i Mick, mpanamorin’ny klioba Asacm ny voalohany tamin’ny “Rallye Bosch CT Motors”. Dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. Tontosan’izy mirahalahy, tao anatin’ny ora 2 sy 08 mn ary 42,2 s ny dingana manokana “ES” miisa 12, notanterahina tamin’ity fifaninanana ity. Na teo aza ny laharana voalohany azon’izy mirahalahy, tsy voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara izy ireo satria mbola nosongonan’i Mathieu (Zaza maditra) 0,6 ny fitambaran’isany.
Tonga teo amin’ny laharana faharoa i Mathieu sy i Andry Tahina, nitondra ny fiara Subaru Ipreza, izay tara 5 mn taorian’i Fred. Na izany aza, ampy naha voahosotra an’i Mathieu ho tompondakan’i Madagasikara izany. Na­marana ny lampihazo tamin’ity, izany hoe, tonga fahatelo, i Haja Danielson sy i Rivo, mpanamorin’ny CT Motors, nitondra ny Ssangyoung Mus­so, izay tara 15 mn.
Voahosotra ho tompondakam-pirenena kosa ho an’ny SSV, i Laza sy i Tsiresy, nitondra ny Polaris Pro XP, izay nahavita ny hazakazaka tao anatin’ny 2 ora 13 mn 06, 6 s.

Torcelin

Partager sur: