Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fandaraham-potoan’ny filoha Rajoelina Andry mivady, any Etazonia, ny nihaona amin’ireo zanaka am-pielezana “Diaspora” any an-toerana. Nisy ny dinidinika nifanaovany tamin’izy ireo. Notsiahivin’ny filoha tamin’izany ny ezaka vita na eo aza ny olana samihafa. “Sahirana ny firenena nefa miezaka ny hamiratra sy hisongadina ary hiavaka ny firenentsika. Tsy mora ny manarina ny firenena ary tsy vita anatin’ny fotoana fohy izany”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra amin’ny fanorenana trano izany. Miainga amin’ny fototra sy ny rindrina ary ny tafo. Mandalo an-tanan-tohatra izany nefa ny sasany, maika, araka ny nambarany.
Tsy hanafatra ireo filana avy any ivelany intsony
Notanisainy tamin’ireo “Diaspora” tamin’izany fa anisan’ny efa hatao izao ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo. Ny tombontsoa ho azo amin’izany sy ny fivahan’ny olana eo amin’ny fitaterana. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Cementis ka hamokarana simenitra eto an-toerana ka hampidina ny vidin’izany, afaka roa taona. Tahaka izany koa ny amin’ny siramamy. Efa vonona ny fiaraha-miasa amin’ny Espanola, hamokatra izany any Vatomandry sy any Morondava. “Tsy hanafatra siramamy any ivelany intsony isika”, hoy ihany izy. Nanteriny fa anisan’ny ezaka ataon’ny fitondrana ny tsy hanafarana ireo entana sy kojakoja ilain’ny mponina.
Fahefam-panjakana manakaiky vahoaka
Notsindriany koa fa nametraka ny fahefam-panjakana eny ifotony, manakaiky vahoaka ny fanjakana. Anisan’ izany ny fotodrafitrasa toy ny hopitaly, oniversite… Efa mihoatra ny 15 ny oniversite naorintsika tao anatin’ny efa-taona latsaka, araka ny nambarany. Nitohy amin’ny fanontanian’ireo “Diaspora” izany ary novalin’ny filoha hatrany ny hetahetan’izy ireo.
Tsiahivina fa mbola handahan-teny amin’ny fihaonana an-tampon’i Etazonia sy Afrika ny filoha Rajoelina Andry, anio.
Synèse R.