Efa ao anatin’ny fampivondronana, amin’izao fotoana izao, ny Barea de Madagascar hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. 32 ireo mpilalao miatrika izany.
Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, eny amin’ny ivontoeram-piofanana eny Carion, ny fanomanan-tenan’ny Barea de Madagascar, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Chan 2023”, hatao any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary ho avy izao. Mpilalao 32 no miatrika izany fampivondronana, izany izay tarihin-dRakotondrabe Romuald (Roro), mpanazatra.
Ankoatra ny fanazarantena eto an-toerana, fantatra fa mbola hiatrika lalao sedra miisa telo any Tonizia ny Barea. Tsy mbola fantatra kosa anefa hatreto, ireo hifanandrinany amin’izany.
Raha hiverenana kosa ny fampivondronana, omaly tatala, nanombohana izany, ny maraina ny fanamafisana ny tanjaka ara-batana. Ny folakandro kosa ny teknika sy ny taktika. Tsiahivina fa hisy ny lalao fitsapana sady sedra hataon’ny Barea de Madagascar, ny asabotsy ho avy izao, hifanandrinana amin’ny ekipa voafantin’i La Réunion, hatevenin’ireo mpilalao Malagasy mila ravinahitra any. Fihaonan, hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.
“Mpilalao 20 ihany no ho sedraina amin’io sabotsy io. Tsy midika izany fa ireo no ho voatazona. Tsy ny fandresena no zava-dehibe fa ny fijerena ny fahaiza-miarak’ireo mpilalao sy ny fomba fandraisany ny paikady, nomena azy ireo. Tanjona, ho anay ny lalao amin’ny 15 janoary hikatrohana amin’i Ghana”, hoy i Roro.
Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka mialoha ny krismasy ny anaran’ireo mpilalao 23 mirahalahy, handrafitra ny Barea, hiatrika io “Chan 2023”, io.
Raha tsiahivina, ao amin’ ny vondrona “C” ny Barea, miaraka amin’i Maraoka sy i Ghana ary i Soudan. Hifandona voalohany amin’ny Barea de Madagascar, ny Kintana maintin’i Ghana ny 15 janoary ho an’ny andro voalohany. Hifanandrina amin’i Maraoka kosa ny 19 janoary eo amin’ny andro faharoa ary hamaranana ny fifanintsanana isam-bondrona, i Soudan, ny 23 janoary.
Tompondaka