Tale nahafaty olona: mifanenjana ny governora sy ny fianakavian’ny maty

Voalaza fa nahafaty olona ny fiara nentin’ny tale iray ao amin’ny faritra Sofia. Naiditra am-ponja ny asabotsy saingy nivoaka ny alatsinainy izy. Tezitra ny fianakavian’ny maty. Sady nisafidy ny hangina no miaro ny olony ny governora Lylison René de Rolland.

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny tomponandraiki-panjakana ao Antsohihy sy ny fianakavian’ny lehilahy iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambendrana Antsohihy, ny 20 novambra lasa teo. Samy manao azy ireo ho manana ny marina ny andaniny sy ny ankilany. Samy tsy milefitra na ny eo anivon’ny governoran’ny faritra Sofia na ny fianakavian’ ny namoy ny ainy. Mitaky ny hampiharana ny sazy amin’ilay nitondra ny fiara tsy mataho-dalana heverin’izy ireo ho na­havanon-doza ireto fianakavian’ilay namoy ny ainy ireto. « Ani­san’ny porofo manamarina fa fiaram-panjakana takelaby mena ny fisian’ny rà teo amin’ny vatan’ny fiara », hoy ny nambaran’ny fianakavian’ny maty. Toherin’izy ireo, araka izany, ny famotsorana ilay nitondra ny fiara tsy mataho-dalana teny am-ponja. Ity farany izay nanao tsidi-pahitra fotsiny, satria voalaza fa iray andro monja taorian’ny nihazonana azy dia nivoaka.
Raha tsiahivina, nodomin’ny fiara ny raim-pianakaviana iray tao Ambendrana ny alin’ny alahady 20 novambra teo tokony ho tamin’ny 07 ora. Ni­laza tamin’ny fianakavian’ity niharan-doza ny na­natri-maso fa nodomin’ny fiaram-panjakana takelaby mena io olona io. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana am-ponja ilay nitondra ny fiara, tsy iza fa tale iray ao amin’ny Faritra. « Tsindry avy amin’ny governoran’ny faritra no na­hafahan’io voampanga io tany am-ponja », hoy hatrany ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty.
“Tsy ny governora no namoaka azy”

Nanoloana io tranga io, nitondra fanazavazana ny lehiben’ny fampanoavana ao Antsohihy fa manan-jo hanao fanohanana amin’ny fihazonana am-ponja vonjimaika ny olona voatazona. “Nanao io fanohanana io ny mpiaro ilay voampanga”, hoy hatrany ity lehiben’ny fampanoavana ao Antsohihy, Ramarosata Jessé. Notsindrian’ity farany fa tsy midika ho meloka avy hatrany ny voampanga raha toa ka naiditra am-ponja vonjimaika. Ny fitsarana ihany no tompon’ny teny farany. “Manoloana ny resaka amin’ny tambajotran-tserasera kosa, tsy marina ny filazana fa navoakan’ny governoran’i Sofia io voampanga io”, hoy hatrany ity lehiben’ny fampanoavana ity. “Mizara roa miavaka tsara ny asan’ny fitsarana sy ny faritra ka tsy anjaran’ny governora no ma­moaka olona any am-ponja”, hoy izy.

Nisafidy ny hangina

Manoloana ny resabe nandeha tamin’ny tambajotran-tserasera, mikasika ny filazana fa ny governora Lylison René de Rolland no namoaka ilay tale tany am-ponja dia nisy ny fakana ny heviny. “Aleo tsy hiteny aho fa ankinina amin’ny fahendren’ny fitsarana ny raharaha”, hoy izy namaly ny antso an-tariby, halina.
Mitaky ny hampiharana ny sazy amin’ny olona nahavanon-doza ny fianakavian’ilay namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: