Voasambotry ny polisy, afakomaly, teny Androhibe ireo roavavy mpanao « certificat de négativité test PCR Covid19 » hosoka. Amidy 250.000Ar ny iray amin’izany ka ireo vahiny no betsaka manatona azy roa. Fantatra fa mpiasan’ny “Institut d’hygiène” Analakely tamin’ny andron’ny hamehana ara-pahasalamana ireto roavavy ireto ary nifindra teny amin’ny LA2M Androhibe ny volana may 2021. Nanomboka teo ny asa ratsiny ka nampiahiahy ny lehibeny izany. Mampiasa fitomboka hosoka izy ireo hanaovany izany taratasy izany.