CIJ – Madagasikara : efa vonona ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy

Mivory mandritra ny telo andro eto Madagasikara ny CIJ (Conseil International des Jeux). Naneho ny fahavononany handray ny lalaon’ny Nosy 2023 i Madagasikara, nandritra ny  fanokafana ny fivoriana omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia.

Efa fantatra avokoa ireo toerana sy kianja handraisana ireo taranja 23 hifaninanana ka nampahafantarina ny CIJ, omaly. Hiroso amin’ny fidinana ifotony hijery ireo fotodrafitrasa ara-pa­na­tanjahantena ireo anio ireo tompon’andraikitra tarihan’ny filohan’ny CIJ, i Anthony Gopal, hanamarina raha tena afaka handraisana lalao tokoa ireo toerana ireo. Raha ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny Komity Olympika malagasy, faritra efatra eto Madagasi­ka­ra ny handray ny lalao, Anta­nanarivo, Mahajanga, Sainte Marie ary Faradofay na To­lia­ra. Araka izany, hampiantrano ny baolina kitra sy ny volleyball lalaovina amin’ny fasika, ny volleyball klasika, ny Taekwondo, ny Karate ary ny lomano ho an’ny olona misy fahasembanana, ny any Mahajanga. Any Faradofay na any Toliara no hanaovana ny « Surf », any Sainte Marie ny voile. Ankoatra ireo, saika eto Antananarivo no mandray ny ambiny, ka eny Vontovorona ny taranja handball, badminton, ary ny baolina kitra. Etsy amin’ny kianja mitafon’An­ko­ron­drano kosa ny Judo sy ny fibatana fonjamby. Eny amin’ny Lapan’ny Fanatanja­hantena sy Kolontsaina Ma­hamasina, ny basketball rehetra sy ny tolona, etsy amin’ny ACSA Ambohidahy ny tenisy, eny amin’ny boulodrom6e Fitaratra Tongarivo Tan­jom­bato ny tsipy kanetibe, eny amin’ny kianja Makis Ando­hatapenaka ny Rugby ary eo amin’ny kianjan’Alarobia ny Atletisma

Ho avy eto ny filohan’ny CIO
Nohamafisin’ny filohan’ny Komity Olympika Mala­gasy, Randrianasoloniaiko Si­te­ny, fa ho avy eto Mada­gasikara mihitsy hanatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, hatao eto amintsika, ny filohan’ny Komity Olympika Iraisam-pirenena, Thomas Bach. « Manoloana izany, ho hentitra amin’ny fanaraha-maso sy fitsirihana ny atleta, amin’ny fandraisana na fihinanana zavatra mampatanjaka ny mpikarakara ny fifaninanana amin’io », hoy hatrany ny filohan’ny KOM.
Nohama­fisin’ny COJI , notarihan’ny filohany, An­dria­matoa Tinoka Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena kosa ny fahavononan’i Madagasi­kara, hampiantrano ity andiany faha-11 ity. Tonga nanatrika izao fivoriana izao avokoa ireo solontena avy amin’ny nosy mpandray anjara, nahitana an’i Maldiva , Kaomoro, Maorisy, Seysela, La Reu­nion, Mayotte ary i Madaga­sikara. Ho fantatra amin’ny fiafaran’ny fivoriana rahampitso kosa ny daty ofisialy hanaovana ny lalao.

Mi.Raz

Partager sur: