CUA – Fid – SCTV : sady hanodina fako no hamorona asa

Natao, omaly tetsy amin’ ny lapan’ny Tanàna Analakely ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fid ary ny “Société de Tri Compactage et Valorisation- STCV”. Ani­san’ny orinasa mpanangona sy mpanodina fako. Nam­ba­ran’ny solontenan’ny Fid ta­min’izany fa anisan’ny ny fandaharan’asa fiahiana ara-tsosialy Mikofo, tanterahan’izy ireo ary arindran’ny ministeran’ny Mponina izao tanterahana izao. “Ahafahana manampy ny fidiram-bola sy manatsara ny fiainan’ny mponina”, hoy izy. Hisitraka izany ireo fianakaviana maherin’ny 1 000 avy eto An­ta­na­na­rivo Renivohitra amin’ny alalan’ity fandaharan’asa ity. Hiantsehatra amin’ny fanodinana sy fanangonana ny am­pahan’ny fako izy ireo ary hividy ireo fako voafantina toy ny baoritra, akora plastika, ny vy… Maro ny tombontsoa ho azon’ireto ankohonana ireto. Hahazo karama isam-bolana avy amin’ny tetik’asan’ny Fid izy ireo amin’ny fanangonana sy ny fitsinjarana ny fako. Mbola vidian’ny orinasa SCTV ihany koa ireo fako, voaangon’izy ireo mba ho fidiram-bola fanampiny .
Etsy andaniny, anisany manampy ny CUA ihany koa ity fandaharanasa ity amin’ny fanadiovana ny Tanàna amin’ ny alalan’ny fanangonana sy fanodinana indray ireo fako.

Synèse R.

Partager sur: