Nilatsaka ny sazy ho an’i Madagasikara ! “Tsy afaka mandray anjara amin’ireo hetsika rehetra, karakarain’ny UFAK, ireo federasiona roa eto amintsika”, ho an’ny taranja karate. Io no sazy navoakan’ny «Union des Fédérations Africaines de Karaté», tamin’ny alatsinainy 12 desambra lasa teo. Ankilany, tsy iharan’izany ireo karatékas, fa mahazo mandray anjara amin’ireo hetsika rehetra saingy ny anarana WFK (World Federation Karate) sy UFAK no hoentiny. Mila mahazo alalana amin’izy ireo fotsiny izay karatékas maniry handray anjara amin’ny fifaninanana eo anivon’ny UFAK. Andro vitsy taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tatsy Afrika Atsimo, nilatsaka ity sazy ho an’ny federasiona malagasy ny taranja karate ity, izay tsiahivina fa samy nandeha ary nitondra atleta avokoa na ny ekipan’Andrianavomanana Solofo Barijaona na ny an-dRatefinanahary Émile ary samy niziriziry ho ara-dalàna amin’ny fitantanana ny federasiona malagasy. Nisy ny fihainoana azy ireto tany, ka nahatonga ny UFAK handray izao fanapahan-kevitra izao. Miantso ny WFK ihany koa ny UFAK, mba hanaraka sy handray ity fanapahan-kevitra navoakan’izy ireo ity, izay mandra-pahitana ny fifanarahana, ka hahazoana federasiona iray, vao ho afaka izao sazy izao.
Samy tsy nahenoana feo izy ireto, manoloana izao fanapahan-kevitra navoakan’ny UFAK izao, saingy milaza ny hitondra fanazavana kosa amin’ny fotoana tsy voafaritra.
Mi.Raz