Voaheloka higadra mandra-pahafatiny, miampy asa an-terivozona ny raim-pianakaviana iray. Novonoiny tamin’ny vely kobay sy maritoa ny vadiny. Mbola naolana koa na dia efa safotra aza.
Efa dimy sahady izao ireo voampanga namoahana didim-pitsarana hanefa sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty miampy ny tsy fahazoana mivoaka ny faritra misy azy. Misy indray ireo namoahana didy fikarohana sy fisamborana. Io ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava andiany faharoa. Anisan’ireo voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny Razafimamonjy Andrinjanaka Jimmy, 54 taona. Natao omaly ny fitsarana azy araka ny antontan-taratasin’ady fanenjehana laharana faha-104-Toa/22-3955-RP/21. Voampanga ho namono ny vadiny izy, ny 6 desambra 2021.
Tao amin’ny fokontany 23/24 Dépôt fahaefatra no niseho ity raharaha ity. Tsy nandà ny fiampangana azy teo anoloan’ny fitsarana ilay rangahy. Nolazainy tamin’ny fitsarana fa manambanimbany lava azy ny vadiny. “Lazainy fa olona tsy misy dikany satria mpaka fako, aho”, raha ny fanazavany. Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoany ity renim-pianakaviana ity. Nokapohiny tamin’ny hazo ny hatok’ilay ramatoa vadiny ka rehefa safotra dia mbola nanaovany firaisana ara-nofo. Tsy vitan’izay fa mbola novelesiny tamin’ny maritoa ny lohany. Maty tsy tra-drano ramatoa vadiny. Nilatsaka ny sazy taorian’ny fifandaharana ka voampanga hanao asa an-terivozona am-ponja i Jimmy sady tsy mahazo manitsaka ny faritra fiaviana.
Efa-dahy hafa voasazy
Ankaotra ireo, niakatra fitsarana ny alatsinainy 12 desambra 2022 teo amin’ity sampam-pitsarana ity ny antontan-taratasin’ady laharana faha-58-Toa/22-2266-RP/19, hanenjehan’ny fitsarana an’i Anicet Jean Claude sy ireo namany. Tambajotran-jiolahy nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana sy vonoan’olona niniana natao, fihazonana sy fampiasana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ny votoatim-piampangana ireto andian-jiolahy valo mirahalahy ireto. Ny mpisolovavan’ny niharam-boina kosa no tonga nanatrika ny fitsarana nandritra ity fotoam-pitsarana ity. Raha hiverenana ity raharaha, nitrangana fanafihan-jiolahy tao amina tranona mpandraharaha iray ao amin’ny “Cité Nouvelle Ville”, ny alin’ny 10 jona 2019. Vola 50 tapitrisa Ar, solosaina entin-tanana miisa telo ary moto no lasan’ireo mpanafika tamin’io. Maty norarafan’ireo jiolahy tifitra variraraka ny renim-pianakaviana tao an-tokantrano. Nafana ny adihevitra momba ity raharaha ity teo amin’ny mpisolovava sy ny fitsarana. Nivoaka ny didy ka voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty sy didy fikarohana sy fisamborana ny efatra amin’ireo jiolahy miampy onitra 20 tapitrisa Ar tsirairay avy raha votsotra kosa ny efatra ambiny.
Sajo