Nandrombaka ny amboara tamin’ny “Tournoi des étoiles”, taranja tenisy, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ny Jeneraly Razafimboto. Fifaninanana natao ny talata lasa teo, teny amin’ny kianja Complexe Sportif Militaire Betongolo. Hetsika karakarain’ny Ofisy miaramilan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), ary ny Sampana misahana ireo hetsika ara-panatanjahantena eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.
Marihina fa lalao fanao isan-taona, natokana ho an’ireo manambonihitra jeneraly, izy ity. Nizotra tsara ny fifaninanana, hita taratra fa mahafehy ny taranja tenisy izy ireo. Etsy an-daniny, faly sy ravo avokoa ny mpandray anjara, afa-po ny mpikarakara.
Tsiahivina fa anisan’ny mampiavaka ity fifaninanana ity ny fandraisana anjaran’ireo manamboninahitra jeneraly misotro ronono.
Fitia
(Mpianatra Asa)