Notanterahina tetsy amin’ ny Tranompokonolona Analakely, ny alarobia teo, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny mpivarotra miisa sivy (Andravoahangy, Ambohimanarina, Anjomakely, Ambohijatovo, Andrianjaka, Tsimialonjafy, Ampasampito, Anosibe). Fanehoana fahavononana hanome tanana an’Antananarivo amin’ny fomba fandaminana rehetra sy ny fanatsarana ary ny hanovana ny rafitra sy ny fitantanana rehetra mba hanatrarana ny tanjona «Antananarivo madio sy milamina».
Ankoatra izany, ny fandraisana anjara biriky mba hisian’ny fitantanana mangarahara eny anivon’ny tsena, ny fanadiovana ary ny fitazonana ny fotodrafitrasa izay efa misy.
Eo koa ny fifanomezan-tanana amin’Antananarivo amin’ireo fanatanterahana ny tetikasa rehetra hampandroso ny tsena sy ny tanàna. Raha ny tsenan’Anosibe manokana dia efa intelo amin’izao no nisian’ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’izy ireo sy ny kaominina. Izao manaraka izao ny faneken’ny kaominina ny fanorenana ny fotodrafitrasa eny amin’ny tsenan’ Anosibe, izay misy box enina ambany ary trano fivoriana kosa ny ambony. Tanjona ny ho tombontsoan’ny mpivarotra sy ny kaominina amin’ny fitaizana ny mpivarotra eny Anosibe.
Tatiana A