Karate : mpikatroka 30 mivon­drona etsy Ampefiloha

Taorian’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara farany teo sy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Dur­ban, ma­natanteraka fampivondronana etsy amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro Ampe­fi­loha, ny Fe­derasiona ny Ka­ratedo Ma­lagasy. Mpika­troka 30 mianadahy avy amin’ny ligy ma­nerana ny Nosy no ma­­naraka ny fampivondronana mandritra efatra andro, na­nomboka omaly ary hifarana ny alahady izao. Kara­te­ka sangany manerana ny Nosy no sady tompondakan’i Ma­dagasikara ireo, araka ny fa­nazan’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Émile. Ny fi­lohan’ny Komisiona Tekni­ka, Shihan Hafizou Georges, te­pana mainty 7 e Dan, no mi­tarika ny fampivondronana. Karatékas sokajy Se­niors, kata sy kumite no no­tson­gaina tamin’ity fampivondronana ity, mba hahafahana mi­jery izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Tsia­hivina fa ny taona 1998 no na­nana ekipa nasionaly fa­rany i Madagasikara ary tsy nisy intsony izany hatramin’izao. Ankoatra izay, fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023 sy ny “Open de Paris”, ny 20,21 ary 22 janoary 2023, ny anton’izao fampivondronana izao.
Nanambara ny Sensei Emile manoloana ny sazy na­voakan’ny UFAK fa ny Fe­de­rasiona teo aloha no­tari­hin’Andrianaivomanana So­lo­fo Barijaona no voakasiky ny sazy ary eo an-da­lam-pamitàna ny taratasy maha ara-dalàna ny FKM tarihiny amin’izao na ny minisitera na ny sehatra iraisam-pirenena.

Mi.Raz

Partager sur: