Kitra – «Orange Pro League» : resin’ny Uscafoot ny ASA Diana

Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tery, 3 no ho 2, ny Uscafoot nanoloana ny ASA Diana. Ambin-dalao tsy tontosa, ho an’ny kaonferansy avaratra, izay tafiditra amin’ny andro fahaefatra, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Oran­ge Pro League”. Fihaonana, notanterahina omaly alakamisy, tetsy amin’ny kianjan’ Alarobia.
Niady ny fihaonana ary nanohitra ireto tompon-jaridaina, ry zareo avy Diana. Izy ireo rahateo no nampi­ditra ny baolina voalohany tamin’ny alalan’i Marson, teo amin’ny minitra faha-
29. Isa izay nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fidirana faharoa nanao totoafo ny mpilalaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ka nanasahala ny isa, i Pao, teo amin’ny minitra faha-56. Mbola nampiany iray indray izany teo amin’ny minitra faha-80, saingy voasahalan’ny ASA indray rehefa namono ny baolina faharoa, i Mateo, teo amin’ny minitra faha-90. Nihevitra ny rehetra fa hisaraka amin’io ny roa tonta saingy mbola nahatafiditra ny baolina fahatelo, i Pao, teo amin’ny fanampim-potoana 90 + 4 mn.
Mipetraka eo amin’ny laharana fahadimy ny Usca­foot, taorian’ity fandresena ity, izay manana isa 6. Ma­naraka azy kosa ny ASA, manana isa 2. Mbola mitarika ho an’ity kaonferansy avaratra ity, ny Fosa Jr Boeny, nahazo isa 12, izay tsy mbola resy mihintsy. Manaraka azy, eo amin’ny laharana faharoa, ny Cosfa, manana isa 8 arahin’ny Ajesaia, nahazo isa 7 ary ny AS Fanalamanga, isa 6. Mi­tana ny laharana farany ny Tsaramandroso Forma­tion Boeny, isa 1. Tsiahivina fa miato ny Orange Pro League (OPL) ary tsy hiverina raha tsy aorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, hatao any Alzeria, izay handraisan’ny Barea de Mada­gascar, anjara.

Tompondaka

Partager sur: