Notanterahina, omaly, tany Aostralia ny kongresy teo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja lomano, natrehan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny lomano, Jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Tapaka nandritra ity kongresy ity fa miova ho “Word Aquatics” ny anaran’ny FINA (Fédération Internationale de Natation), manomboka amin’ny taom-pikatrohana ho avy. Firenena 175 amin’ireo 185 tonga nanatrika ny fivoriana no nandany io fanovana io, vato fotsy kosa ny 4. Araka ny fantatra, ny volana janoary 2023 izao ny hanomboka hihatra ny fanovana ka mety hisy ny federasiona hanaraka izany fanovana izany ka hanova ny anaran’ny federasionany ihany koa. Nambaran’ny filohan’ny FMN, Jeneraly Ramanantsoa Gabriel fa mety hiroso amin’izany fanovana izany koa i Madagasikara ka ho lasa “Madagascar Aquatics” ny FMN. Mbola hisy anefa fandinihana mialohan’ny hanapahana hevitra. Fiovana maro no hihatra miaraka amin’izany, ka mety hiakatra ny famatsiam-bola ho an’ireo federasiona mikambana eo anivon’ny “Word Aquatics”, torak’izany koa ny vatsim-pianarana homena ireo atleta, ho maro kokoa noho ny teo aloha ireo atleta hisitraka izany vatsim-pianarana sy fiofanana momba ny lomano izany. Notapahana nandritra ny kongresy fa hatao isaky ny 8 taona ny fifidianana izay hitantana ny “Word Aquatics”, afaka manaraka io fepetra ihany koa ny federasiona nasionaly maniry ny hampihatra io 8 taona io.
Tsy tafakatra manasa-dalana i Tendry
Eo amin’ny fifaninanana kosa, mbola anatiny tanteraka ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 25 metatra, any Aostralia. Laharana voalohany tao amin’ny “série” nisy azy i Tendrinavalona Idealy, teo amin’ny 50 m Dos. Tsy tafakatra manasa-dalana anefa izy satria 32.19 ny fe-potoanany, raha toa 26.56 ny an’ilay laharana faha-16 amin’ny filaharana ankapobeny. Izany hoe, tsy nisy tafakatra manasa-dalana ny iray “serie” taminy satria 25.60 ny fe-potoanan’ilay laharana voalohany, i Claire Curzan (Népal). Tsy mbola nahavita nanamontsana “record national” sy nanatsara zava-bita ihany koa hatreto i Tendry. “Ratsy ny fanomanana ho an’i Tendry tamin’ity taona ity, noho ny tsy nahafahany niatrika fanazaran-tena ivelan’i Madagasikara”, araka ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly ny federasiona malagasy ny lomano, manaraka akaiky azy mianadahy any Aostralia. Hiatrika ny fifaninana eo amin’ny amin’ny 50m brasse i Jonathan ny alahady ho avy izao.
Mi.Raz